17/02/2026
NY ANGOVONAO: AZA AVELA HO LANY TSY MISY FAMENOANA
Indraindray, rehefa mahatsapa ianao fa manome angovo be kokoa noho izay azonao… stop.
Misy fotoana tsy maintsy mijery indray mandeha ny fiainana, satria ny fitiavana tena dia tsy midika hoe manome hatrany, fa koa mahay mandanjalanja.
Ny fiainana dia toy ny batterie: raha tsy averina fenoina, dia ho lany.
Raha manome hatrany ianao nefa tsy mahazo fanohanana, dia mety ho reraka, ho very hery, ary ho very fahatsapana ny tena.
- Balance no lakile: manome sy mandray.
- Respect ny tena sy ny hafa.
- Clarité: mahay mametraka fetra (limites) rehefa ilaina.
Tadidio: tsy fitiavantena ratsy ny miaro ny angovonao, fa fahazaizana misaina (sagesse).
Aoka isika hianatra hanontany tena: “Izaho ve mahazo angovo mitovy amin’izay omeko?” Raha tsia, dia miverena mandanjalanja.
👉 Zarao amin’ny namana ity hafatra ity, mba hahatsiarovan’izy ireo koa fa ny fitiavana ny tenanao sy ny fanajana ny angovo dia fanalahidy ho amin’ny fiainana salama sy mirindra.
Tena Tiako loatra Ianareo. Coach Hyacinthe Basile