04/09/2026
TAFIKA : TSY MANDEFITRA AMIN’NY MPANAO RATSY, VOASAMBOTRA ILAY VOAROHIROHY MPANAO VOLA SANDOKA
👉Mbola mitohy ny ezaka ataon’ny Tafika amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy sy ny tambajotra mpanaparitaka vola sandoka. Noho ny fikarohana sy ny ezaka tsy an-kiato nataon’ny Miaramila avy ao amin’ny DSS Ambalakindresy, dia nahitam-bokatra izany ka voasambotra ny olona iray voarohirohy amin’ity raharaha ity.
✅Ny 02 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 23 ora 30, tao amin’ny Fokontany Anarandakana, Kaominina Ambanivohitra Vohiposa, Distrikan’Ambohimahasoa, no nahatrarana azy. Tsy nitsahatra ny fikarohana raha tsy tratra ilay voarohirohy, ary nizotra tamim-pilaminana ny fisamborana.
👌Fampitandremana ho an’ireo mpanao ratsy: tsy milefitra ary tsy mikely soroka ny Tafika amin’ny fanenjehana ireo mpanao heloka bevava. Hohazavaina sy hotohizana hatrany ny fikarohana mandra-pahatratra ireo rehetra voakasika, mba hampiharana ny lalàna. Mitohy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana.
Sary indrana