08/08/2022
👉👉Mba vakio hatramin'ny farany ho an'ny Raiamandreny rehetra 👇👇
"Ry raiamandreny ô!
Mpitsara zaza tsy ampy taona nandritra ny taona maro ny tenako, fa tsy mbola tsapako tandindomin-doza tahak'izao ny zaza sy ny ankizy ary tanora, vokatr'ireto fitaovana, kilalao sy fialam-boly moderina ireto, toy ny jeux video, ny films isan-karazany, ny dessins animés sns...
Vao 2 taona monja ny zaza @ izao fotoana dia efa mahay mikirakira telephone, ary mampiasa ireny karazana kilalao fifandraisana moderina ireny. Faly erý isika raiamandreny mahita izany, fa mahay zavatra ny zanantsika.
Dia hifaninanana ny hahazoan'ny zanantsika izay fitaovana raitra, mba hitoviany @ hafa.
Izay no heverintsika ho fitiavan-janaka.
Izao anefa, tsy tsapatsika ny zava-miafina ao am-badik'ireny sy ny fanimbana ary fandemen-tsaina entiny:
- ny zavatra jereny sy ataony @ ireny no manefy ny toetrany sy ny foto-pisainany : lasa mahery setra, misetrasetra, tia mamaly faty, tia ady, tia-tena, tsy azo tenenina sy hanarina,mihevitra ny tenany ho matanjaka sy mahery, manonofy zavatra tsy marina, mihevitra fa tsara sy mety daholo ny zavatra hitany @ ireny, dia iainany sady alainy tahaka. Tsy misy "repère" intsony, fa lasa manaonao foana.
- miantefa @ atidohany ireny zavatra jereny sy lalaoviny ireny, ary mety hiteraka fahavoazana ara-tsaina, araka ny filazan'ny mpandinika sy ny manam-pahaizana.Mety hitarika hatramin'ny fiankinan-doha tanteraka, izay hamatotra sy hangeja ary hanandevo ny saina, vatana ary fanahy, toy ny zava-mahadomelina.
- Misy fiantraikany @ fahasalamany ihany koa, maso, fo, ary mitarika nervosité tsy voafehiny.
Ampian'ny fiparitahan'ny sy ny fihanaky ny zava-mahadomelina, mety hitarihan'ny namany azy, @ toerana rehetra izay alehany, dia vao maika loza.
Ny zava-misy mantsy ary tsy azo lavina, indrindra ho antsika raiamandreny samy miasa na ny lahy na ny vavy, reraka ny asa aman-draharaha isika, revon'ny fitadiavana, lanaky ny fihazakazahana isan'andro @ fiainana, dia omena téléphone, na omena jeux video, na ampijerena dessins animés ny ankizy mba " hampilamina". Avy eo koa mba hahafahana manao Facebook, izay lasa toa hany fialam-boly ho an'ny lehibe koa.
Vokatr'izany, tsy manana sady tsy mahavita manokana fotoana hiresahana sy hitafàna @ ankizy intsony. Tsy mahalala sady tsy mahafantatra ny olana mety mahazo azy @ izay alehany any. Fa samy manao izay mahafalifaly ny sainy.
Ny jeux video sy ny dessins animés no lasa manefy azy. Tsy hainy ary tsy fantany intsony izany resaka " valeurs" izany.
Dia misoko mangiana ny fihavian'ny loza, ary tsy hitantsika sy tsy tsapantsika akory.
Indraindray aza efa tara loatra vao tonga saina isika raiamandreny.
Ry raiamandreny ô, tezao @ lalana tokony ho izy ny zanantsika. Aza fatra-paka tahaka ny ataon'ny hafa.
Tezao @ fahatahorana an'Andriamanitra, izay fiandoham-pahendrena.
Asio "discipline" ny fiainany: rehefa tokony ho "TSIA" dia ataovy tsia. Aza avela hanaram-po manomboka vao mifoha maraina, mandra paha alina ny andro @ ireny kilalao manimba ireny.
Zaro hanao activités physiques sy jeux de société izy, zaro ho tia hamaky boky koa, handala zava-boahary sns...
Aza omena poizina ny zanantsika.
Manokàna fotoana hitafàna sy hivavahana miaraka aminy, fa tena tsy mananontanona intsony ny loza fa efa mby an-koditra.
Ampianaro azy " ny tena fiainana".
Samia ho tahian'Andriamanitra."
✍️Noro Harimisa Razafindrakoto
Ministry ny Fitsarana teo aloha
Mpitsara