Soy Mih

Soy Mih Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Soy Mih, Mahamasina, Antananarivo.

12/01/2026

Mofon'aina 12 Janoary 🤲
👉 Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.👈
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tanany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. — Eksodosy 14 : 15 - 22

03/01/2026
01/01/2026

🫶🫶🫶Miarahaba nahatratra ny taona vaovao 2026 🎉🎉🎉💖💖💖
1.
Mifalia ry sakaiza
Fa nahazo taom-baovao ;
Zanahary no mitaiza
Ka isaory sy hajao !
Mihirà sy mihobia,
Jeso Tompo no derao ;
Miravoa, mifalia,
Velona aina ianao !

2.
Izao no andro mampifaly,
Andro lehibe anio,
Dia hira mahafaly
No hatao ankehitrio ;
Zanahary no mitàna,
Mifalia ianao !
Tonon-kira hoe : Hosana
No hatao aty izao
[FIV.]

3.
He Hosana, he Hosana,
Ho Anao ry Tompo ô !
Fihirana, fiderana
No asandratray izao !
Dera, saotra, hery, laza,
Ho Anao Mpanjakanay !
Ho Anao anie ny haja,
Raiso ho Anao izao !
[FIV.]

20/12/2025

👉Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. [*Na: mpanolo-tsaina mahagaga] —🫶 Isaia 9 : 5

18/12/2025

Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; — Ohabolana 1 : 5

10/12/2025

Miderà an'i Jehovah fa tsara Izy. 👐

09/12/2025

an'Andriamanitra #😇
Talata 09 desambra 2025
👉Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy. Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina. — 👌Joba 11 : 13 - 20

06/12/2025

Tsy manary anao Jehovah, tiany ianao, antsoy Izy dia hamonjy anao.
Mahereza.

Address

Mahamasina
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soy Mih posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share