21/01/2026
🟨 TSY FAHAZOANA AINA AO AMIN’NY KIBO SY NY VAVONY AORIAN’NY SAKAFO MATAVY ? Ity misy torohevitra voajanahary azonao ampiasaina
Rehefa avy nihinana sakafo matavy, zava-pisotro isankarazany, na sakafo tsy mifanaraka amin’ny vatana ianao, dia mety hahatsapa:
mavesatra kibo
tsy fahazoana aina amin’ny vavony
fivontosana sy fanelingelenana ao anatiny
Torohevitra nentin-drazana tsotra azo ampiasaina:
🍵 THÉ CURCUMA (Tamotamo)
Fomba fanomanana:
🟢 Maka tamotamo lena, sasana madio ary voasana
🟢 Kikisana madinika, fihazana ka alaina ny ranony 2 sotro fihinanana
🟢 Afangaro amin’ny rano mafana 1 kaopy (200 ml)
🟢 Rehefa matimaty dia mamina tantely
🟢 Indray mandeha isan’andro, tsara raha maraina vao mifoha
Raha curcuma vovony no ampiasaina:
🟢 Ataovy azo antoka fa curcuma madio tsy misy fangarony
🟢 1 sotro fihinanana + rano mafana 200 ml
🟢 Mamina tantely rehefa matimaty
Fanamarihana:
Rehefa tsapanao fa mihatsara ny fahatsapan’ny kibo sy ny vavony dia ajanona
Raha tanjona fanadiovana vatana dia 5 andro misesy ihany
Fomba tsotra, mora atao, ary manampy ny vatana hahatsapa fahatoniana ao anatiny rehefa ampiasaina amim-pitandremana.
Raha tianao ny hanao fanadiovana lalindalina kokoa, voalamina tsara:
🟢 manampy ny vatana hiala amin’ny fahatsapana mavesatra
🟢 manohana ny fiasan’ny taova
🟢 manampy hahazo fahatsapana fahadiovana sy hery vaovao
📩 Fizarana Mahasoa
Mikarakara ny vatana, manaja ny voary