17/10/2024
Tamin'ny aprily 1902, nisy ekipa iray antsoina hoe Newton Heath , ampototry ny faharavana ara_bola tanteraka ( faillite), ary efa namidin'ny mpitantana azy tamin'ny olona hafa tamin'ny vidiny 240 £ monja, kanefa tsy nahasarika olona Ilay klioba noho izy efa mizaka trosa be loatra. Nanjavozavo ny hoavin'ny klioba teo, tapitra anefa izany ahiahy izany rehefa nahita mpandraharaha tao antoerana 4 vonona hampiasa vola 2000 £ tao amin'ny klioba ny kapitenin'ny ekipa.
Ny mpandraharaha fototra, John Davies , no notendrena ho mpitantana vaovao ny klioba, Ary nitondra fanovana maromaro izy, toy ny lokon'ny fanamiana , sy lokon'ny klioba, maitso/lokombolamena lasa mena/mainty, ary ihany koa ny tena zava_dehibe, dia nanovana ny anaran'ny klioba ho MANCHESTER UNITED FOOTBALL CLUB !