06/04/2025
Hatrany hatrany dia maharay fangatahana vaovao foana izahay mikasika ny kalitao,ny fatra ilainareo
indrindra momban'ity "cailles de chair"ity.
😊
Ireto amin'ny sary ireto dia"cailles de chair vidées"
Izany hoe;
👉efa voavoly ary efa nalana daholo ny taova ao anatiny,tsy misy lohany,tsy misy tongony.
👉Indrindra tsy notahirizina tao anaty vata fampangatsiahana na dia 1minitra aza satria mila vokatra vaovao ilay nitady azy.
👉15isa izy ireo,nanomboka tamin'ny 6ora maraina ka hatramin'ny 12ora ny fikarakarana azy😵💫.
👉Dia naterina vao vita ny fikarakarana azy.
Fa manin no ela be toy izany ny fikarakarana azy?🤔
Satria malemy ny hoditry ny papelika,ka mila mitandrina mba tsy ho rovitra ny hodiny,mbola misy volo kely mitsiry kanefa Mila alana,izy rahateo vorona kely dia sarotra ny mandidy sy manala ny ao anatiny.
👉Ho anareo izay mitady cailles de chair dia tsara manao famandrihana mialoha be, indrindra raha ilaina amin'ny fety sy amandanonana samihafa,ka mila betsaka.
Hitanareo ato amin'ny pejy ihany vao misy "cailles de chair disponibles" na manontany anay ao amin'ny hafatra miafina na miantso avy hatrany
Fa alefa 2 andro mialoha foana ny komandy 😊
Tél:0349076096
Mankasitraka anareo hatrany