Asio Maso

Asio Maso Fanabeazana tanora, émission Radio 91.6 fm, sarimehitsika

💔❤️ ASIO MASO – RESAKA FITIAVANA ❤️💔Ny fitiavana… indraindray mamy, indraindray mangidy.Misy ny fitiavana tena izy, fa m...
11/02/2026

💔❤️ ASIO MASO – RESAKA FITIAVANA ❤️💔
Ny fitiavana… indraindray mamy, indraindray mangidy.
Misy ny fitiavana tena izy, fa misy koa ny fitiavana feno fiatsarambelatsihy.
Ahoana no ahafantarana ny tena fitiavana? Ahoana no hikolokoloana azy mba tsy ho simba?
Inona avy ireo fahadisoana mahatonga ny fitiavana ho rava tsikelikely?
👉 Hodinihintsika miaraka izany rehetra izany ao amin’ny fandaharana “ASIO MASO”.
Resadresaka mivantana, marina ary mikasika ny fiainan’ny tsirairay.
📻 Anio Alarobia 11 – amin’ny 5 ora hariva
📡 Radio RVA 91.6 FM
Aza adino… mety hisy hafatra ho anao manokana ao.
Henoy, zarao, ary asao ny namanao hiaraka hihaino. ❤️
🥰 Abonneo ny page ✨

Dimy minitra ho an'ny Sekoly alahady🔔Ny Santé mentale na ny fahasalamana ara-tsaina. Rehefa maheno hoe fahasalamana isik...
01/02/2026

Dimy minitra ho an'ny Sekoly alahady🔔
Ny Santé mentale na ny fahasalamana ara-tsaina.
Rehefa maheno hoe fahasalamana isika dia ny vatana foana no voaresaka: mila misakafo ara-pahasalamana, mila ampy torimaso tsara, mila mampiasa vatana,..nefa ny santé mentale ihany koa dia tena important be ohatran'ny santé physique ihany.
Mila mianatra isika mifehy ny saintsika, fihetsehampotsika ary ny stress sns. Be dia be mantsy ilay pression hiainantsika tanora amin'izao: Pression familiale (misy teren'ny RAD sy ry Dadatoa sy Totoa hanambady fa sao tara), pression sociale (ny promotion rehetra ohatrany efa manana trano, fiara sns), ny fianarana (misy ataon'ny Encadreur mihinana ny anganony mihitsy), fitiavana (misy miaina relation toxique be fa tsy kopy akory), réseaux sociaux (misy mampitaha ny fiainany amin'ny sombiny kely amin'ny fiainan'olona zarainy ato)
Ireo rehetra ireo dia mitarika any amin'ny fahakiviana, rarintsaina (stress) ary indraindray mety ho tonga any amin'ny depression mihitsy aza (lasa te hitokatokana irery, tsy te hanao n'inona n'inona satria tsy ampy hormone de la motivation, mandratra tena (automutilation) ary ny tena loza ary mety hamono tena mihitsy).
Ny tena olana koa eto amintsika dia ny atao hoe hendry dia ilay olona tsy miteny iny mihitsy, bedy tany am-pianarana vao mitabataba, ao an-trano tsisy tafatafa mihitsy fa vao lany ny sakafo dia ampirimina ny vilia dia samy maka ho azy, dada mijery vaovao, neny manao raharaha, ny ankizy manao Facebook. Any ka na misy olana aza samy mody mitapy eny dia mody ohatrany tsy misy n'inona n'inona.
Nefa ny firesahana momba ny santé mentale tena tsy mariky ny fahalemena mihitsy, mifanohitra amin'izany ary, c’est un acte de courage.
Raha tsapanao ary fa manana olana ianao dia ireto misy dingana azo atao.
1- Ekeo aloha hoe mety marary ny sainao, maninona rehefa marary kibo isika dia manaiky hoe marary ilay kibo dia mividy metro koa rehefa ny saina no marary dia menatra?
2- Miresaha amin'ny olona, ao anaty cercle d'amis anao ao tsy ilaozan'izay iray na roa bandy na sipa milamina (mahay mihaino, tsy mitsara, tsy manameloka, compréhensif, empathique,..)
3- Midira fikambanana izay mitovy cause à défendre aminao, mampivelatra anao izany (raha resaka tanora, tontolo iainana, education dia miresaha amiko)
4- Vavaka, mila manaiky ny limites-tsika isika, na intelligent be na mafy be tahakin'ny inona ary ialahy mety harary foana, dia izay ilay ilana Hery ambony noho ialahy.
5- Rehefa tsy milamina amin'ireo rehetra ireo dia manatona Manam-pahaizana momba ny santé mentale no vahaolana, Dokotera Mpitsabo, Psychologue, Psychiatre sns

Address

Ambohitrimanjaka
Antananarivo
101

Telephone

+261343947428

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Asio Maso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share