Varotra tany mora be

Varotra tany mora be Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Varotra tany mora be, Shopping & retail, Iavoloha, Antananarivo.

24/09/2025
07/07/2025

NY ATAO HOE VEHIVAVY MENDRIKA ALAINA VADY

Mbola betsaka ny vehivavy mendrika, hendry, tso-piaina, tia miketrika, mikarakara tokantrano nefa koa miezaka manatratra ny tanjony manokana.

Ireto avy ireo karazana vehivavy mendrika halaina ho vady, araka ny fahendrena, ny ny fomba fijerin'ny fiaraha-monina sy finoana maro na ara-tsaina, ara-panahy, na ara-piainana:

1. Vehivavy manaja tena sy manam-pahendrena.

Mahalala miaro ny tenany amin’ny zava-dratsy rehetra manodidina azy (Na namana izany na lehilahy).

Tsy tia miankina amin'ny lamaody loatra na firehana ratsy amin’ny fiaraha-monina fa mifantoka amin'ny fampitomboana ny fidirambolany.

Mahay mandanjalanja amin’ny fiteny sy ny fihetsika ataony.

2. Vehivavy manam-pinoana.

Manana fototra ara-panahy na ara-tsaina matanjaka tsara.

Tia mivavaka, tia manampy olona, ary mitady fahendrena amin’ny fiainana.

Mahay mananatra, mampahery sy mitondra vahaolana rehefa misy olana.

3. Vehivavy mpanohana sy mahay miara-manangana.

Tsy mitady fahafinaretana fotsiny amin'ny fiainam-pianakaviana fa mitady fandrosoana ihany koa.

Vonona hiara-manomboka sy hiara-hisedra amin'ny zava-mora sy sarotra rehetra.

Mahita lanja sy tombony amin’ny hoavy iombonana, fa tsy mijery ny tombontsoany manokana.

4. Vehivavy madio sy milamina ara-piainana.

Tsy mitady ady etsy sy eroa. Tsy tia manakorontana.

Mahay mitandrina fahadiovana, fahamendrehana, ary ny fahendrena amin’ny fitondran-tena.

Mihaino izy aloha vao mamaly ary rehefa mamaly dia teny feno fahendrena sy fitokisana no lazainy.

5. Vehivavy mahay mitondra tokantrano.

Mahay mandamina ny tokantrano ho toerana feno fitiavana sy fahendrena.

Mahay mikarakara sakafo, ny ankizy, sy mahay manaja ny fotoana.

Mahay manampy amin’ny fitantanam-bola sy fanapahan-kevitra lehibe ao an-tokantrano.

6. Vehivavy manan-tsaina sy be fanajana.

Tsy mifanohitra amin’ny lehilahy amin’ny zavatra rehetra, fa miara-misaina sy mitondra vahaolana aminy hatrany.

Miezaka misaintsaina ny zava-misy ao an-tokantrano ary manatsara izay tsy mety.

Mahay mitondra fiteny tsara sy fomba hanomezam-boninahitra.

7. Vehivavy tia mitady vola.

Tsy miankin-doha amin'ny lehilahy loatra fa manana ny fidirambolany manokana.

Tia mampitombo ny traikefany, sy ny fahalalany hatrany. Mianatra zava-baovao tsy tapaka toy ny famakiana boky, fanaovana fiofanana..sns.

Ny hoaviny no zava-dehibe aminy fa tsy ny fahafinaretana androany ihany.

Izay daholo ary fa ho anizay efa nisoratra anarana tamin'ilay fiofanana "Liberté financière" nefa mbola tsy tafiditra groupe de formation dia manasa anao handefa hafatra miafina zao ihany fa amin'ny 08 ora no manomboka ny fiofanantsika.

Tsy misy vehivavy tonga lafatra amin’ny lafiny rehetra izany, fa izay miezaka sy mihaino, mivoatra, ary tia fivoarana hatrany no mendrika ho vady.

Ny fanambadiana mantsy dia fiaraha-mitombo ka tsy hoe "karazana" fotsiny no ilaina, fa tena fitiavana maharitra sy fahavononana hifampizara amin'ny fiainana rehetra mihintsy.

Sorato hoe "tiako" raha toa ka nahafinaritra anao ity fizarana ity.

Miroso Amin'ny Fahombiazana

03/07/2025

Address

Iavoloha
Antananarivo

Telephone

+261339183517

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Varotra tany mora be posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Varotra tany mora be:

Shortcuts

Share