28/04/2023
RESAKA MASO LE RAHA .
**Manankarena zava-maniry entina hitsaboana isika Malagasy .anisan'izany ny RAVIMBOAFOTSY ,izay maniry eny rehetra eny ,antendromboitra , andohanareo saha , eny manerana ny Nosy mihintsy angambany .
Vavolombelona aho eto fa azo hitsaboana ny maso reraka , marary , tsy mahita soratra mandinika , manjavonjavona .mangerifiry izy io .
**Ny fomba fampiasana azy .
**Maka ianao raviny efa voatango eran'ny tanana an'ila ,tanehina amin'ny rano 1,5 litatra mandritra ny 30 mn ,efa hita fa manana loko maron iny tsara ,esorina eo ambony fatana ,avela hangatsiaka tsara vao hanasana ny tarehy sy ny maso ny maraina vao mifoha ,sy ny hariva alohan'ny hatory , sotroina tsy misy siramamy maraina antoandro ,hariva .aorian'ny sakafo isan'andro.marihina fa mitanika vaovao isan'andro . Ny tsara kokoa dia ny mbola mando no ampiasaina , na izy efa maina raha tsy mahita .
**Mandritran' ny 10 andro ny faharetan'ny fitsaboana. dia mijanona mandritran'ny 10andro ,dia mamerina indray raha mbola tsy dia mahita tsara ,fa azo tohizana foana andavan'andro anefa ho an'izay mazoto .
√ Mba handramo ihany fa za izao mijoro vavolombelona eto fa mbola mahita tsara na soratra kely ao amin'ny Baiboly na ato na fanjaitra tsy mila solomaso .
****Sary hindrana .