08/09/2026
π·π· RAHA TE HANOVA NY FIAINANAO IANAO DIA MiVIDIANA FITARATRA π·π·
Mety anotany ana ianao hoe atao inona izany Mr Finaritra ???
Tsy hijerena sy hankafizana ny endrikao fotsiny, fa mba hahazoana herim-po hijerena ilay olona miafina ao ambadiky ny excuse lava io.
Ny marina dia efa ela ianao no nitady excuse sy nanome tsiny ny hafa.
π Manome tsiny an'Andriamanitra ianao hoe Β« Miangatra izy Β», nefa ianao kamo tena marina,
π Manome tsiny ny lehibenao ianao hoe tsy akariny mihintsy ny karamanao nefa ianao tsy mba manao ny asanao tsara,
π Manome tsiny ny fianakavianao ianao hoe tsy mba manohana sy manampy anao mihintsy kanefa tsy ainao akory mampiasa izay omena anao fa lanianao izay Tonga eo,
π Manome tsiny ireo olona manodidina anao ianao. Ary indraindray, tonga hatramin'ny filazana mihitsy aza fa nisy namosavy no antony manakana ny fandrosoanao.
Tsy handΓ aho fa mety misy olona maniry ratsy anao.
β
β
Saingy eto aho hanolotra anao fomba fijery vaovao: Raha tsy mandinika ny tenanao ianao dia tsy hihatsara mihitsy ny fiainanao,
Ahoana no ahafahanao manova ny fiainanao raha mihevitra ianao fa ny hafa foana no nahatonga ny tsy fahombiazanao rehetra fa tsy ianao mihitsyβοΈ
Ny marina dia indraindray ianao ihany no nahatonga ny tsy fahombiazanao.
Ary raha mbola mandΓ sy tsy hanaiky izany ianao, dia mety hamerina ireo fahadisoana mitovy ihany.
ANAMPY ANAO HADINIKA NY TENANAO NY FITARATRA, EKENAREO VE IZAY??