21/08/2026
Angamba tsy ho ahy izany…
Nijoro teo anoloan’ny fitaratra i Lanto.
Efa niova akanjo in-telo izy.🥲
Ity ve? Tsia… efa tonta loatra.
Ity iray? Mbola mety ihany, fa efa matetika loatra.
Nijery ny tenany indray izy. Te hivoaka handeha hiasa izy androany. Te hiseho milamina, te hahatsapa fa tsara ny endriny,
Fa tao an-tsainy kosa nisy zavatra iray niverimberina:
"Tsy ampy ny akanjoko."
Ary tao ambadik'izany dia nisy eritreritra mbola mangina kokoa:
"Tsy manana vola hividianana akanjo vaovao aho… angamba tsy ho ahy mihitsy ilay hoe tsara tarehy sy matoky tena."
Navelany teo ambony fandriana ilay akanjo.
Satria rehefa tsy afa-po amin’izay hitany eo izy, dia mora ny manomboka mino fa misy zavatra tsy ampy ao aminy.
Saingy tamin’io maraina io, raha mbola nijery ny tenany izy, dia nahatsikaritra zavatra iray.
Tsy ratsy akory ilay akanjo nanaovany.
Madio izy.🤏🏻
Nokarakarainy ny volony.
Nijoro tsara izy.
Ary tampoka teo dia nieritreritra izy hoe:🥹
“Fa maninona aho no miandry akanjo vaovao vao hanome lanja ny tenako?”
Tsy niova ny akanjony.
Tsy nitombo ny vola tao am-paosiny.
Fa niova kely ny fomba nijereny ny tenany.
Indraindray, tsy ny tsy fahampian-javatra no tena mampihena ny fahatokisan-tenantsika, fa ilay feo ao anatintsika izay milaza amintsika fa manana ny tsy ampy isika🤔
Ny Pejin'ny Sahy dia mino fa mendrikau hikarakara ny tenany ny vehivavy tsirairay.
Tsy rehefa manankarena.🙃
Tsy rehefa tonga lafatra.
Fa izao, amin’izay ananany izao.
Ary ianao?
Oviana ianao no farany nijery ny tenanao teo amin’ny fitaratra ka nilaza hoe: “Eny, mendrika aho”?🫶🏻