24/08/2026
FANOKAFANA TAMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FIKAONANDOHAM-PIRENEN'NY TANORA HO AN'NY FANAVAOZANA - 14 APRILY 2026 - CCI IVATO 🇲🇬
🟢 Daty manan-danja nanamarika ny fiainam-pirenena ary indrindra ny fiainan'ny tanora Malagasy ny 14 Aprily 2026, izay fotoana nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fikaonandoham-pirenen'ny tanora ho an'ny fanavaozana. Ela niandrasana
ary nangetaheta fatratra ny tanora Malagasy mba haneho hevitra an-kalalahana. Izany indrindra no nanosika ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena hanapa-kevitra ny amin'ny fanomezana sehatra manokana ny tanora, mba ho tena mpandray feno anatin'ny fiainam-pirenena izy ireo ka haneho ny heviny amin'ny lafiny rehetra ho fitadiavana vahaolana maharitra amin'ny fampandrosoana ny firenena 🤝.
⚪ Taorian'ny fotoana maromaro nikarakarana sy nanaovana ireo fanomanana maro samihafa izay notanterahin'ny Komity Mpikarakara na ny Comité National d'Organisation de la Concertation Nationale des Jeunes izay ahitana solontenan'ireo tanora, solontena avy amin'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, solontena avy amin'ireo Ministera stratejika hafa rehetra ary solontena avy amin'ny mpiara-miombon'antoka, dia tanteraka soa aman-tsara teny amin'ny CCI Ivato ny lanonana fanokafana izany fikaonan-doha izany.
🔴 Ny fikaonandoham-pirenen'ny tanora izay dingana iray lehibe tsy maintsy nolalovana ato anatin'ny vanim-potoan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
🟢 Nandritr'io fotoana io, ny Filohan'ny fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michael, izay anisan'ny nitondra ny lahateniny, dia nanome toky fa vonona ny hanome lanja ny feon'ny tanora ; ny fehin-kevitra izay havoaka amin'ity fikaonandoham-pirenen'ny tanora izay mbola ho entina indray hanaovana adisisika ao anatin'ny fikaonan-doham-pirenena iraisana 📕.
"Ianareo no ankehitrinin'ny firenena" : hafatra iray lehibe nasongadiny tao anatin'ny lahateny izay nataony manokana ho an'ny tanora Malagasy 🇲🇬.
🔴 Raha atao jery todika ny zava-nisy nandritra iny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy iny dia azo lazaina fa tontosa arak'izay nandrasana ny lanonana izay natao. Hita ho voasolo tena tao daholo ireo sokajina tanora rehetra misy manerana ny Nosy, na anaty fikambanana na tsia, ireo manana fahasembanana ary indrindra ireo tanora avy amin'ny faritra.
"AVY AMIN'NY TANORA, HO AN'NY TANORA"
Ministère de la Jeunesse et des Sports