09/07/2026
🚶♂️ TSY NY OLONA REHETRA NO TOKONY HIARA - DALANA AMINAO
Nisy fotoana aho nieritreritra fa ratsy fanahy angamba satria nanalavitra olona sasany teo amin'ny fiainako.
Rehefa niresaka ny tanjoko aho dia tsy nifarana taminy intsony ilay resaka fa niparitaka tany amin'ny hafa. Rehefa naniry handroso aho dia nisy fanakianana betsaka kokoa noho ny fanohanana.
Tsy niala tamin'izy ireo aho satria nankahala azy. Niala aho satria te hiaro ny nofiko sy ny fiadanako.
💡 Hevi-dehibe : Tsy voatery hijanona eo akaikin'ny olona iray ianao raha tsapanao fa manakana ny fitomboanao izy, na dia efa ela aza ny fifankafantarana.
📖 Lesona : Misy olona tia anao rehefa mahasoa azy ianao, fa vitsy no tena faly mahita anao mandroso.
🔥 Ny changement de vie dia tsy fanovana fahazarana ihany, fa indraindray koa fanovana ny olona avelanao hanana toerana eo amin'ny fiainanao.
Aza matahotra hanalavitra izay manala hery anao. Tsy fankahalana izany, fa fiarovana ny hoavinao. ❤️💪
Araho hatrany ny pejy fa misy zavatra sy torohevitra zaraiko aminareo , aza adino manisy reaction sy mamaky azy tsara