Nenikely kanto

Nenikely kanto Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Nenikely kanto, Antananarivo.

🌸 Torohevitra momba ny reny sy ny zaza
🍼 Fahasalamana • Fitaizana • Astuces quotidien
🤍 Partage douceur et bienveillance pour les mamans
📩 Collaboration & publicité en MP

16/06/2026

Zazah an'iza no tsy mety matory 😊?
Afaka atao massage kely izy an 😊😉

🌸 Inona no antony mahatonga ny infection intime amin'ny vehivavy? 🌸Maro ny vehivavy no mety hiaina perte be loatra, mang...
16/06/2026

🌸 Inona no antony mahatonga ny infection intime amin'ny vehivavy? 🌸
Maro ny vehivavy no mety hiaina perte be loatra, mangidihidy, mangirifiry, na fofona ratsy eny amin'ny faritra intime. Tsy voatery ho aretina lehibe izany, saingy ilaina ny mahafantatra ny antony mety mahatonga azy.
🔹 Fikorontanan'ny équilibre naturelle ao amin'ny fivaviana Mety hitranga noho ny fampiasana savony mahery, do**he vaginale, na vokatra misy parfum.
🔹 Infection fongique (mycose) Matetika mahatonga mangidihidy mafy sy perte fotsy matevina.
🔹 Infection bactérienne Mety hiteraka perte misy fofona ratsy, indrindra rehefa avy manao firaisana.
🔹 Aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo (IST) Mety hiteraka perte tsy ara-dalàna, mangirifiry rehefa mipipy, na fanaintainana.
🔹 Fiovan'ny hormonina Mandritra ny fitondrana vohoka, fampinonoana, na vanim-potoanan'ny fadimbolana dia mety hiova ny perte.
🔹 Fitazonana hamandoana be loatra Fitafiana tery na atin'akanjo tsy mandray hatsembohana dia mety hampitombo ny risika infection.
⚠️ Rahoviana no mila manatona mpitsabo?
✔️ Raha misy fofona ratsy tsy mahazatra.
✔️ Raha mangirifiry na mangidihidy mafy.
✔️ Raha misy fanaintainana rehefa mipipy. ✔️ Raha mavo, maitso, na misy rà ny perte.
💡 Tsarovy: Tsy tokony hanao automédication foana. Ny antony mahatonga ny infection dia samy hafa ka mila fitsaboana mifanaraka amin'izany.
Mirary soa o

🌷 Nenikely kanto

🎒 CEPE rahampitso: Torohevitra ho an'ny ray aman-dreny hanampiana ny zanaka Rahampitso no andro lehibe ho an'ny zanatsik...
15/06/2026

🎒 CEPE rahampitso: Torohevitra ho an'ny ray aman-dreny hanampiana ny zanaka
Rahampitso no andro lehibe ho an'ny zanatsika. Ankoatra ny fianarana nataony nandritra ny taona, mila fanohanana sy fampaherezana avy amintsika ray aman-dreny ihany koa izy mba hiatrika ny fanadinana am-pahatokisana sy am-pilaminana.
✅ Ataovy matory aloha ny zaza rahariva mba hahazoany aina tsara.
✅ Omano mialoha ny fitaovana rehetra ilainy (stylo, règle, convocation, sns.) mba tsy hisy adin-tsaina rahampitso maraina.
✅ Alefaso mialohan'ny fotoana mba tsy ho tara na ho taitra eny an-dalana.
✅ Aza asiana tsindry be loatra izy. Ampahatsiahivo fa efa nanao izay vitany tamin'ny fianarana izy ary ny hany ilaina dia ny manao izay tsara indrindra vitany.
💖 Mampiasà teny mampahery toy ny: "Matoky anao izahay. Mahavita ianao. Ataovy izay tsara indrindra vitanao."
🍽️ Aza hadino koa ny sakafo maraina!
Ny zaza hiatrika fanadinana dia mila sakafo manome hery sy manampy azy hifantoka tsara:
✔️ M**o sy atody
✔️ Vary sy laoka maivana
✔️ Akondro na voankazo hafa
✔️ Yaourt na ronono
✔️ Rano ampy hisotroana
🌤️ Raha mangatsia ny andro dia azo omena ronono mafanafana na lasopy maivana mba hampafana ny vatana.
❌ Fadio ny sakafo be menaka loatra, be siramamy be, na sakafo mbola tsy zatra hohanin'ny zaza.
🌸 Tsarovy fa ny fahatoniana, ny torimaso ampy, ny sakafo tsara ary ny fitiavana asehon'ny ray aman-dreny dia anisan'ny fanalahidin'ny fahombiazana.
🎓 Mirary fahombiazana ho an'ny mpianatra rehetra hiatrika ny CEPE rahampitso!

😊Mirary Herinandro feno fahazotoana ho antsika rehetra 😊Nenikely kanto
15/06/2026

😊Mirary Herinandro feno fahazotoana ho antsika rehetra 😊

Nenikely kanto

🤰 Inona avy ireo akora tena ilaina rehefa bevohoka? Ary aiza no ahitana azy?Mandritra ny fitondrana vohoka dia mila saka...
14/06/2026

🤰 Inona avy ireo akora tena ilaina rehefa bevohoka? Ary aiza no ahitana azy?
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mila sakafo voalanjalanja ny reny sy ny zaza ao an-kibo. Ireto avy ireo akora manan-danja indrindra:
🩸 Fer (Vy)
➡️ Manampy amin'ny famokarana ra sy misoroka ny tsy fahampian-dra. 🍽️ Ahitana azy amin'ny: hena mena, atikena, trondro, tsaramaso, anamamy, anandrano,sns...
🧠 Acide folique (Vitamine B9)
➡️ Manampy amin'ny fitomboan'ny atidoha sy ny hazondamosin'ny zaza. 🍽️ Ahitàna azy amin'ny: anana maitso (anamamy, anatsonga), voasary, zavoka, tsaramaso,sns...
🦴 Calcium
➡️ Ilaina amin'ny fananganana taolana sy nify. 🍽️ Ahitàna azy amin'ny: ronono, yaourt, fromazy, sardine, sns...
☀️ Vitamine D
➡️ Manampy ny vatana handray tsara ny calcium. 🍽️ Ahitàna azy amin'ny: trondro, atody, ronono misy vitamine D ary tara-masoandro maraina.
🥚 Protéines
➡️ Ilaina amin'ny fitomboan'ny taova sy ny hozatra. 🍽️ Ahitàna azy amin'ny: atody, hena, trondro, tsaramaso, voanjo.
🐟 Oméga-3
➡️ Manampy amin'ny fivoaran'ny atidoha sy ny maso. 🍽️ Ahitàna azy amin'ny: sardine, maquereau, saumon,
💧 Rano
➡️ Manampy amin'ny fivezivezen'ny otrikaina sy misoroka ny tsy fahampian-drano. 🍽️ Tokony hisotro rano ampy isan'andro ny reny bevohoka.
🌸 Tsarovy: Tsy mila mihinana betsaka fa mila misafidy sakafo isan-karazany sy be otrikaina.
💬 Reny bevohoka ianao? Inona no sakafo tena tianao indrindra nandritra ny fitondrana vohoka?

14/06/2026

🥰 "BIBERON MAIN LIBRE"- TSY MAMPIASA TANANA 300ml , ny zaza minono am-pilaminana nefa i maman na papa mbola afaka manao zavatra hafa 🍼🍼
Tena hoe libre ee!!
😊Afaka entina naiza naiza alehanao 🥰🥰
HIitanao ao:
🍼Biberon 1
🍼Tétine 2 samihafa(tetine tsotra/ tétine atao amin'nh tuyau kely-main libre)
🍼Brosse special hanadiovana azy
🍼En plastique sans BPA

👇Jereo ny fampiasana azy anie👇👇

❤️ 40000ar ❤️
Bleu-rouge
Midira mp na antsoy
034 11 199 31

🩺 Fikarakarana ny kibo avy nodidiana OC (Césarienne)Rehefa avy nanao fandidiana OC  dia mila fikarakarana manokana ny ra...
13/06/2026

🩺 Fikarakarana ny kibo avy nodidiana OC (Césarienne)
Rehefa avy nanao fandidiana OC dia mila fikarakarana manokana ny ratra mba hisorohana ny aretina sy hanampiana ny fahasitranana haingana.
✅ Tazomy ho madio sy maina ny ratra.
✅ Mitafia akanjo malalaka mba tsy hanery ny faritry ny ratra.
✅ Miezaha mandehandeha moramora isan'andro.
✅ Mialà sasatra tsara ary aza mitondra entana mavesatra.
⏳ Afiriana no sitrana? Amin'ny ankapobeny dia 6 ka hatramin'ny 8 herinandro no ilain'ny vatana mba ho sitrana tsara. Ny ratra ivelany kosa dia mety ho maina ao anatin'ny 2 ka hatramin'ny 3 herinandro, saingy mbola mitohy ny fahasitranan'ny ao anatiny.
⚠️ Mankanesa any amin'ny tobim-pahasalamana raha:
• Mena na mivonto ny ratra
• Misy tsiranoka na nana mivoaka
• Marary mafy na mitombo ny fanaintainana
• Misy tazo
💝 Tsarovy fa mila fotoana ny vatana vao sitrana tanteraka. Omeo fotoana hialana sasatra ny tenanao ary aza misalasala mangataka fanampiana rehefa ilaina.
Mirary soa o 😊

Nenikely kanto 🌷👶🏻💕

13/06/2026

🥰😍 Tonga indray ilay ensemble mamikely vao teraka hatramin'ny 3mois an'ilay mbola tsy nahazo 🥰😍
Misy andahy kely,misy am-bavy kely
Alefado dienay zao ny commande ato amin'i Nenikely ary e 😊🥰
Livraison partout à Madagascar
034 11 199 31

🤰 Bevohoka sy ny ÉchographieNahoana no ilaina ny échographie mandritra ny fitondrana vohoka?Ny anaovana échographie dia ...
12/06/2026

🤰 Bevohoka sy ny Échographie
Nahoana no ilaina ny échographie mandritra ny fitondrana vohoka?
Ny anaovana échographie dia hanara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.
✅ Manamarina ny fisian'ny vohoka sy ny isan'ny zaza ao an-kibo
✅ Mamaritra ny taonan'ny vohoka sy ny daty andrasana hiterahana
✅ Manara-maso ny fitomboan'ny zaza
✅ Mijery ny toerana misy ny ahitra sy ny habetsahan'ny ranon-jaza
✅ Manampy mamantatra raha misy olana mila fanaraha-maso manokana
📌 Na dia salama tsara aza ny reny, dia tsara foana ny manaraka ny fandaharam-pitsaboana sy ny échographie atolotry ny mpitsabo.
💖 Tsarovy fa ny fanaraha-maso tsy tapaka no iray amin'ireo fanalahidy hiarovana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.
Mirary soa o 😊

— Nenikely kanto 🌿👶💕

😄Nanao ahoana ny fihetseponareo teto? 😁●Redamarrena e!, nodesinstalena dia notéléchaegeba ndray, nampiditra méga tamin'n...
12/06/2026

😄Nanao ahoana ny fihetseponareo teto? 😁
●Redamarrena e!, nodesinstalena dia notéléchaegeba ndray, nampiditra méga tamin'ny opérateurs rehetra,.....iza no tratra?
Inona koa no anataonao teo?😁😄

Hay ve izy ny isika mianakavy e 🤭

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nenikely kanto posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Nenikely kanto:

Shortcuts

Share