D.V By Lalou

D.V By Lalou Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from D.V By Lalou, Shopping & retail, Lot IVH 98A Ambodivona/Ambohimanarina, Antananarivo.

""My little business gonna be a big business one day.""👌🤞

Vente Des Articles Divers à Prix
Toujours Abordable.📌

Toujours à votre service et satisfaction❤
👗👖👙👜👛👚👔👕📿👢👡👠👟👓💄

☎0⃣3⃣8⃣0⃣5⃣8⃣8⃣5⃣3⃣2⃣

🥛FISOTROANA RANO : FOMBA TSOTRA MITONDRA FAHASALAMANA BEIndraindray rehefa miresaka amin’ny olona dia hoe: marary loha —...
06/05/2026

🥛FISOTROANA RANO : FOMBA TSOTRA MITONDRA FAHASALAMANA BE

Indraindray rehefa miresaka amin’ny olona dia hoe: marary loha — misotroa rano. Mikohaka kely — misotroa rano. Mararirary vavony — misotroa rano indray.
Tena zava-dehibe tokoa ny rano, ary anisan’ny manome aina sy fahasalamana ho an’ny vatana.

TOMBOTSOA AZO AMIN’NY FISOTROANA RANO ARAKA NY METY:

1 – Mitazona ny habetsahan’ny rà mba tsy hihena.
2 – Manamora sy manatsara ny fandevonan-kanina.
3 – Manampy amin’ny fanalana poizina sy loto ao anaty vatana.
4 – Manatsara ny tarehy ary mampihena fahanterana amin’ny hoditra.
5 – Miaro ny fahadiovan’ny vatana sy ny faritra manokana indrindra ho an’ny vehivavy.
6 – Mandrindra ny fiasan’ny flore vaginale, miaro amin’ny fofona ratsy sy tsy fahampian’ny ranoka ilaina.

AHOANA NY FOMBA FISOTROANA RANO TSARA?

1 – Fantaro ny lanjan’ny vatanao, zaraina 30: izany no habetsahan’ny rano tokony sotroinao mandritra ny iray andro.
Ohatra: 60 kg zaraina 30 = 2L isan’andro.

2 – Zarao mandritra ny andro: isaky ny adiny 2 dia misotro 1 vera, ary misotroa 1 vera alohan’ny hisakafo.

3 – Vao mifoha maraina, tsy mbola misakafo dia misotroa rano 1–2 vera mba hanadiovana ny vatana sy hanomanana ny fandevonan-kanina.

FANAMARIHANA MANAN-DANJA:

– Aza atao ambanin-javatra ny rano: fomba tsotra nefa mahomby amin’ny fiarovana ny fahasalamana.
– Ny fo sy ny voa no tena mora tohina rehefa tsy ampy rano ny vatana.
– Raha tsy ampy rano ianao dia mora reraka, mety ho tsy salama tsindraindray tsy fantatra akory ny antony.

Rano = Fahavelomana. Manomboha andro amin’ny fisotroana rano, ary ataovy fahazarana izany.
Mirary vatana salama ho anao!
D.V By Lalou

Fimailo miova loko… 🚨Nisy tanora britanika 3 namorona ny S.T EYE, fimailo “intelligent”, izay miova loko raha vao misy o...
20/04/2026

Fimailo miova loko… 🚨

Nisy tanora britanika 3 namorona ny S.T EYE, fimailo “intelligent”, izay miova loko raha vao misy otrikaretina IST.

Voalaza fa miova mavo ny lokony raha toa ka misy "herpès", maitso raha misy "chlamydia" ary manga raha misy "syphilis".

📌Nahazo loka tamin’ny Teen Tech Awards moa ity tetikasa ity. Na dia mbola vao andrana fotsiny aza izany, dia maneho dingana lehibe amin’ny tontolon’ny fitsaboana.

Araka ny hevitrao, mety ho ilaina eto amintsika ve ity fitaovana iray ity? 🤔

D.V By Lalou

🍺⚠️ Ny fisotroana alikaola dia mety hiteraka izao toe-javatra hita amin'ny sary izao.Saingy tsy io ihany no antony, ka i...
30/03/2026

🍺⚠️ Ny fisotroana alikaola dia mety hiteraka izao toe-javatra hita amin'ny sary izao.

Saingy tsy io ihany no antony, ka izany no maha-zava-dehibe ny fahalalana bebe kokoa momba ny fahasimban’ny aty 🩺. Ohatra, ity olona ity dia tsy mbola nisotro alikaola mihitsy nandritra ny fiainany, nefa jereo ny habetsahan’ny ranoka nesorina tao aminy.

Matetika ny olona dia mihevitra fa raha misy olona manana kibo mivonto tahaka izao, dia voan’ny cirrhose izy ary mety ho mpisotro toaka. Ary amin’ny ankamaroan’ny tranga dia mety ho marina izany, saingy misy olona tsy nisotro alikaola mihitsy nefa tonga amin’izao toe-javatra izao ihany izy 😔.

Noho izany dia ilaina ny mahafantatra fa ny cirrhose vokatry ny alikaola dia TSY izy irery no mahatonga ny ascite (izany hoe fitangoronana rano ao an-kibo) 💧. Raha ny marina, ny aty dia mety ho simba (cirrhotique) na dia tsy nisotro alikaola na indray mandeha aza ny olona.

Ny zavatra atao amin’ity marary ity dia antsoina hoe paracentèse 🩹💉, izany hoe fampidirana fanjaitra ao an-kibo mba hanesorana ilay rano miangona, mba hahafahan’ilay marary miaina, misakafo ary mihetsika tsara kokoa.

Satria raha misy rano 10, 15 na hatramin’ny 20 litatra ao an-kibo, dia manindry ny taova rehetra izany: ny havokavoka, ny vavony ary ny tsinay 😣.

Tsy tsara raha atao amin’ny toerana tsy madio sy tsy voafehy tsara io fomba fitsaboana io, satria mety hisy fahasarotana rehefa esorina tampoka be ny rano ⚠️. Saingy indraindray dia atao maika izany, rehefa tena mila fanampiana haingana ilay marary, mba hanavotana fotoana alohan’ny handefasana azy any amin’ny hopitaly 🚑.

Na izany aza, ny mampalahelo amin’izao toe-javatra izao dia hoe rehefa voasintona ilay rano dia tsy midika hoe vita ny olana. Mahazo fotoana kely fotsiny.

Satria mety hiverina indray ilay rano… ary miverina indray ny olana, indrindra raha misy aretin’ny voa na aretin’ny fo koa ilay olona 💔.

Cute Babies

Santé Naturelle AINA SOA

Zava baovao be 😍     Mino ah fa vitsy mahalala fa ny aspirin dia manala Vergeture,, no manala vakivaky am tongotra 😘    ...
28/03/2026

Zava baovao be 😍
Mino ah fa vitsy mahalala fa ny aspirin dia manala Vergeture,, no manala vakivaky am tongotra 😘
tsy lafo nefa tena mora hita no sady aingampiasa 💖
Efa nisy nampiasa ve,, hoanareo te hampiasa nefa tsy mahay dia otrzao ny manao azy
Tena tsotra kely 👍
👉Poteana tsara ny aspirin,, tena atao potika tsara ary asina rano mafana,, tsy atao betsaka fa atao otriny patte,,, osorana am faritra misy tratrakotra na Vergeture, na ilay tongotra misy vakivaky,, tsy esorina raha tsy afaka 15min-30min eo izay vao kobanina aminy rano matimaty 🍀
3fois par semaine ny traitement,, tsy hanenina ianao fa andramo,, nahasoa ahy ilay izy dia zaraiko aminareo🌺🌷
Merci 🌸😘

🟨 Fambara 7 milaza fa tsy ampy calcium ny vatanaoOlona maro no mieritreritra fa rehefa marary vao misy olana… nefa indra...
27/03/2026

🟨 Fambara 7 milaza fa tsy ampy calcium ny vatanao

Olona maro no mieritreritra fa rehefa marary vao misy olana… nefa indraindray efa misy fambara kely tsy raharahiana

Ireto misy famantarana mazava fa mety tsy ampy calcium ianao:
🟢 1. Marary matetika ny taolana sy tonon-taolana
→ Toy ny hoe reraka foana na mavesatra ny vatana

🟢 2. Mora vaky na malemy ny hoho
→ Tsy mafy, mora tapaka na misy tsipika

🟢 3. Mihintsana ny volo
→ Tsy toy ny mahazatra, mihena tsikelikely

🟢 4. Misy crampe na fanintona hozatra matetika
→ Indrindra amin’ny alina

🟢 5. Mora reraka na malemy vatana
→ Na tsy manao asa mafy aza dia efa leo

🟢 6. Misy fahasarotana amin’ny nify
→ Mora simba na marary nify

🟢 7. Mitebiteby na tsy mahita tory tsara
→ Tsy milamina ny saina, sarotra matory

VAHAOLANA NATURALY TSOTRA:
🟢 Mihinàna sakafo manankarena calcium:
Ronono sy yaourt
Trondro kely hohanina miaraka amin’ny taolany
Anana maitso (ravina anana, brède…)
Voanjo sy sesame

🟢 Mandehana masoandro maraina
→ Manampy ny vatana handray calcium tsara

🟢 Mampihena zava-pisotro manimba:
Soda
Kafe be loatra

🟢 Misotro rano ampy isan’andro

Fanontaniana:
Efa nahatsapa iray amin’ireo fambara ireo ve ianao?
Lazao eto ambany

Aza adino: Ny fahasalamana dia harena, tandremo dieny mbola afaka!

🟢𝗠𝗣𝗜𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗦𝗔𝗥𝗜𝗕𝗔𝗢 𝟮 𝗩𝗔𝗩𝗬 𝗡𝗜𝗧𝗔𝗙𝗔𝗧𝗔𝗙𝗔 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗧𝗬 𝗧𝗔𝗫𝗜𝗕𝗘Nifampitaha ny vola noentiny nody izy 2 vavy tanaty taxibe. Samy main...
25/03/2026

🟢𝗠𝗣𝗜𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗦𝗔𝗥𝗜𝗕𝗔𝗢 𝟮 𝗩𝗔𝗩𝗬 𝗡𝗜𝗧𝗔𝗙𝗔𝗧𝗔𝗙𝗔 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗧𝗬 𝗧𝗔𝗫𝗜𝗕𝗘

Nifampitaha ny vola noentiny nody izy 2 vavy tanaty taxibe. Samy maintin'ny arina, na ny hoditra na ny akanjo na ny harona...

Nampiseho 1000 ariary miisa 5 sy 200 ariary vitsivitsy ny iray.

A: mitovy ihany zany ny azontsika e! Fa tsy maninona izany fa 3 000 ariary anie izao dia efa mahazo vary 5 kapoaka... Ny ambiny atao laoka sy menaka.

B: Ny anay angaha ampy izany fa ny 1 kapoaka efa hohanin'ny akoho fotsiny...

Pendant ce temps, des centaines de millions d’ariary sont versés à certains pour rester simplement assis dans leur fauteuil.

© Ralitera Miangaly

𝑴𝒊𝒂𝒎 𝑴𝒊𝒂𝒎😋
20/03/2026

𝑴𝒊𝒂𝒎 𝑴𝒊𝒂𝒎😋

🍀 Ny fomba hafantarana fa be stress be ianao :S-ala-ma daholo tompoko. I Harry ihany 🥰Maro be no fomba hitrangan'ny Stre...
19/03/2026

🍀 Ny fomba hafantarana fa be stress be ianao :

S-ala-ma daholo tompoko. I Harry ihany 🥰

Maro be no fomba hitrangan'ny Stress fa ho fehezintsika amin'ireto 3 ireto izy eto :

1- Saina mivezivezy sy tsy mety milamina mihitsy :

Reraka ny saina
Ny hafantarana azy ,raha efa tokony atory ianao amin'ny alina saingy mbola miteny aminao ihany ny sainao hoe ilay zavatra toy izao mbola tsy vita
Averiny aminao daholo izao olana rehetra izao
Misy fanahiana be dia be ny amin'ny ho avy mivezivezy ao an-dohanao
Vahaolana : Manaova méditation

2- Mihenjana ny vatana sy ny hozatra amin'ny vatana :
Rehefa mivezivezy ao aminao ny hormones ny stress dia tsy mety malefaka mihitsy io vatanao io
Lasa haingana be ny fisefoana ( Réspiration)
Miakatra matetika ny tosidrà (Tension)
Lasa mavesatra ny soroka
Marary ny loha

3- Arerahina tsy fantatra hoe avy aiza ary tsy hitanao izay fomba hanesorana azy :

Mikorontana ny torimaso
Eny , na ampy torimaso aza dia reraka ihany rehefa mifoha
Tsy dia manana motivation hanao zavatra intsony , kamokamo ,...

Raha miaina azy ireo ianao dia mitadiava vahaolana mba tsy ho lasa lavitra ,mba tsy lasa aretina na mivadika dépression

Ho an'ireo rehetra efa niatrika séance tao Tsimbazaza dia efa misy technique maromaro any dia ampiharo

Miato aloha ny séance ato ho ato fa mandray :

-Mpianatra classe d'examen
-Mpiara-miasa sy fikambanana
-Famille na mpinamana

(Afaka tonga dia miditra hafatra miafina sy mamandrika date mety aminao izay voakasik'ireo)

Ankoatra izay , ireo rehetra any amin'ny faritra sy ireo izay tsy afaka niatrika séance tao Tsimbazaza mihitsy. Manoratà eo amin'ny commentaire hoe MILA na avy dia midira hafatra miafina fa efa misy lesona voarafitra boky sy vidéo afaka ampiharina handaminana Stress sy hikolokoloana fahalasamana ( Fo , saina , Tension , Stress , torimaso,...)

Mirary soa ny rehetra sia S-ala-mà tompoko ??






Sac manjakely sady classe be 😍Mp aingana ary fa prix tena ts mapino,mora be an😘Manome prix de gros iany koa.☎038 05 885 ...
08/05/2025

Sac manjakely sady classe be 😍
Mp aingana ary fa prix tena ts mapino,mora be an😘
Manome prix de gros iany koa.
☎038 05 885 32

🔴Tapis salon grenat peau de mouton😊🔴Lafy ratsiny ambadika🔴1m50/1m38.🔴35.000ar📞038 05 885 32
01/05/2025

🔴Tapis salon grenat peau de mouton😊
🔴Lafy ratsiny ambadika
🔴1m50/1m38.
🔴35.000ar
📞038 05 885 32

Address

Lot IVH 98A Ambodivona/Ambohimanarina
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when D.V By Lalou posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share