09/02/2026
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA| 09 Febroary 2026 – 10 ora maraina
☑️ Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny manodidina ny 580 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’i GEZANI. Nikatra ho 75 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 105 km/ora. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15 km/ora.
☑️ Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Mananara Avaratra sy Vatomandry i GEZANI rahampitso tolakandro na ny alina amin’ny tanjaka rivodoza mahery na Cyclone Tropical (tafiotra manodidina ny 210 km/ora).
Mba ho fiomanana manoloana izany dia miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza :
📒📒 Loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Antalaha, Andapa, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;
📗📗 Fanairana miloko maintso : Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky ary Menabe.
☑️ Ankoatra ny rivotra mafy ho entiny eo am-pidirana an-tanety, dia hitondra rotsakorana betsaka amin’ireo faritra ho lalovany izy (100 hatramin’ny 150 mm/24 ora). Ahiana araka izany ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany.
⛔️ Tombanana hikorontana miandalana ny toetry ny andro any an-dranomasina manomboka anio tolakandro. Iangaviana noho izany ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Vohemar sy Mahanoro mba tsy hiandriaka intsony. Entanina ny rehetra mba haraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.⛔️
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar