11/09/2026
FANETREN-TENA SY FANDEFERANA 🤍
Manetry tena ianao, satria tsy fahalavoana ny fanetren-tena. Tsy midika hoe malemy ianao, fa midika hoe mahay mifehy ny hambom-ponao, mahay mihaino, ary mahay manaja ny hafa.
Mandefera ihany koa. Tsy ny teny rehetra no mila valiana, ary tsy ny ady rehetra no mendrika hiadian-kevitra. Indraindray, ny fahanginana sy ny famelan-keloka no tena mampiseho ny herinao.
Hoy ny Baiboly: “Ny olona manetry tena no omena fahasoavana.” — Jakoba 4:6
Koa manetry tena rehefa eo amin’ny toerana ambony, mandefera rehefa misy manafintohina, ary aza avela ny fireharehana hanakana anao tsy hanao ny tsara. 🙏🤍
Jeune Stylé 💌🌸