29/08/2026
🙏🥰
Teboka 09 hilazako hoe: MANANA VALEUR IANAO.
Tsy hajain’ny olona ve ianao?
Ataony tsinontsinona?
Tsy misy miraharaha ny fihetseham-ponao?
Rehefa mila anao ry zareo vao mitady anao?
Fa rehefa ianao no mila azy… tsy hita izy?
Dia izany no mahatonga anao ho lasa maditra?
Lasa mamaly ratra amin’ny ratra?
Lasa manimba tena satria mieritreritra hoe:
“Efa tsy misy manaja ahy ihany… dia tsy ho hajaiko koa zany ny tenako; ho simbaiko zany ny tenako"
"Ho viraviraiko koa ny vatan'ny hafa"
Henoy tsara:
Ny tsy fanajan’ny olona anao dia tsy manala na dia kely aza ny valeur-nao.
Mety nanambany anao izy.
Mety nampitaha anao tamin’ny hafa.
Mety nanao anao ho toy ny tsy misy.
Mety mandao anao amin’ny fotoana farak'izay ilanao azy…
Fa aza avela hanova anao ho olona tsy ianao ny ratra naterany.
1- Aza simbaina ny image-nao noho ny fahadisoan’ny hafa.
2- Aza ariana ny dignité-nao mba hamaliana ireo olona tsy nahita ny valeur-nao.
3- Aza midina amin’ny niveau-n’izay nanambany anao.
4- Raha Andriamanitra aza manome lanja anao, nahoana ianao no mbola manambany ny tenanao?
Hajao ny tenanao.
5- Mametraha limites.
6- Mialà amin’izay manitsakitsaka anao.
7- Aza manimba tena mba hanaporofoana zavatra amin’izy ireo.
8- Ny valifaty tsara indrindra dia ny mitsangana eo amin’ilay toerana niandrasan’izy ireo hianjeranao.…
9- Raha tohina ianao dia mandehana amin'izao herinao izao, mandrosoa, ary mampisehoa fa na dia nandratra anao aza ry zareo, dia tsy rava izany ianao.
MANANA VALEUR OA IANAO.
Na dia tsy hitan’izy ireo aza izany dia malala eo imasoNY ianao: be voninahitra...
Tsara ity sabotsy ity