Sinaï Store MDG

Sinaï Store MDG 🇲🇬

15/05/2026

👋🏼👋🏼👋🏼👋🏼

𝙉𝙊𝙀𝙉𝙏𝙄𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝘽𝘼𝙉𝙆𝙔 𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙊𝙇𝘼𝙈-𝙋𝘼𝙏𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘼𝘽𝘼𝙑𝙄𝙉𝙔Lehilahy iray no voalaza fa nandavaka indray ny fasan'ny anabavi...
29/04/2026

𝙉𝙊𝙀𝙉𝙏𝙄𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝘽𝘼𝙉𝙆𝙔 𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙊𝙇𝘼𝙈-𝙋𝘼𝙏𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘼𝘽𝘼𝙑𝙄𝙉𝙔

Lehilahy iray no voalaza fa nandavaka indray ny fasan'ny anabaviny efa nodimandry, ary nitondra ny taolam-patiny tany amin’ny banky, rehefa nanizingizina ny mpiasan’ny banky fa tsy maintsy miseho mivantana ilay tompon'ny kaonty vao afaka maka vola.

Tany amin’ny sampan’ny banky Odisha Grameen Bank, ao Maliposi, distrikan’i Keonjhar any India no niseho ity tranga ity (tsy novakianao akory izao ilay anaran-tanàna🙄) Ilay lehilahy dia fantatra amin’ny anarana hoe Jeetu Munda, 50 taona, avy ao amin’ny vohitra Dianali.

Araka ny tatitra, Jeetu dia niezaka naka vola 20.000 rupees tao amin’ny kaontin’ny anabaviny izay zokiny, Kalra Munda, 56 taona, izay nodimandry tamin’ny 26 Janoary 2026.

Nilaza i Jeetu fa efa niverimberina imbetsaka tany amin’ny banky izy, saingy nolazaina taminy hatrany fa tokony ho entiny mivantana ilay tompon'ny kaonty vao afaka avoaka ny vola.

Na dia efa nanazava aza izy fa efa maty ny anabaviny, dia tsy nihaino azy mihitsy ny mpiasan’ny banky.

Noho ny fahasosorana sy tsy fahalalany ny fomba ara-dalàna tokony harahina, dia nolazaina fa nandavaka ny fasan'ny anabaviny i Jeetu ary nitondra ny taolam-patiny tany amin’ny banky ho porofo fa efa maty izy.

Raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy dia nilaza hoe:
"Efa imbetsaka aho no nandeha tany amin’ny banky, ary nilazan’ny olona tao aho fa tokony ho entiko ilay tompon'ny kaonty vao afaka maka ny vola amin’ny anarany. Na dia nolazaiko aza fa efa maty izy, dia tsy nihaino izy ireo fa nanery ahy hitondra azy any. Noho izany, noho ny fahasosorana, dia nandavaka ny fasany aho ary nitondra ny taolany ho porofo fa efa maty izy."

Tonga teny an-toerana avy eo ny polisy avy ao amin’ny tobin’ny polisy Patana rehefa nahazo vaovao momba ny zava-nitranga.

Nilaza ny lehiben’ny polisy, Kiran Prasad Sahu (tsy novakianao indray koa izao ilay anarana🙄), fa lehilahy tsy mahay mamaky teny sy manoratra avy amin’ny foko iray i Jeetu, ka tsy mahalala ny teny ara-dalàna toy ny "mpandova ara-dalàna" na "olona voatendry handray vola".

Notsikerainy ihany koa ny mpiasan’ny banky satria tsy nanazava tsara ny fomba fakàna vola an’ny olona efa nodimandry.

Hita taty aoriana i Jeetu niresaka tamin’ny polisy teo anoloan’ny banky. Nampanantena ny manampahefana fa hanampy azy hahazo ilay vola amin’ny alalan’ny fomba ara-dalàna.

Rehefa voavaha ny olana, dia naverina nalaina ilay taolam-paty ary nalevina indray tao amin’ny fasana teo anatrehan’ny polisy.

✍️ ZO Rojomalala (Nandika)

23/03/2026
Prix bojo fa aza tara 🎉 pack article bébé hatrany ✅🥰
23/03/2026

Prix bojo fa aza tara 🎉 pack article bébé hatrany ✅🥰

Robe sy ensemble ho An'ny ankizy Indray ny arrivage tsika manaraka an 😍 Safidio Malaky sao tara 🥰🥰🥰🥰
19/03/2026

Robe sy ensemble ho An'ny ankizy Indray ny arrivage tsika manaraka an 😍

Safidio Malaky sao tara 🥰🥰🥰🥰

❌ Arrivage Kapa 2.500 Ar sy 3.000 Ar ❌ Kapa misy An'ny ankizy sy olondehibe 👉🏼Pointure : 31 hatramin'ny 40 👉🏼Ireo daholo...
17/03/2026

❌ Arrivage Kapa 2.500 Ar sy 3.000 Ar ❌ Kapa misy An'ny ankizy sy olondehibe
👉🏼Pointure : 31 hatramin'ny 40
👉🏼Ireo daholo ny couleurs disponible
👉🏼Manao livraison izahay ☺️

16/03/2026

Ny mora hatrany 🎉❤️

Salama daholo eh 👋🏼Hanombohantsika ny herinandro dia ireto ny arrivage Vaovao 🥰Sady efa Akaiky ny fety an . ✅Vidiny mira...
16/03/2026

Salama daholo eh 👋🏼
Hanombohantsika ny herinandro dia ireto ny arrivage Vaovao 🥰
Sady efa Akaiky ny fety an .
✅Vidiny mirary
Livraison partout à Madagascar 🇲🇬

13/03/2026

Aza Miala alavitra fa ho AVY ny Arrivage an 🥰🎉
Ho avy koa ny fizarana crédit manaraka

Ahoana ny hevitrao Raha Asiana an'ito eto amintsika ?
12/03/2026

Ahoana ny hevitrao Raha Asiana an'ito eto amintsika ?

12/03/2026

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika jiaby

Address

Antananarivo
Mahajanga
101401

Telephone

+261342161241

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sinaï Store MDG posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share