Bezanozano Style-Akanjo

Bezanozano Style-Akanjo Bezanozano wear

19/02/2024

Miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy indray oo 😊

Ela ela isika Tsy tato 😊

Hiverina isika sady hitondra zavatra tsara ho anareo izahay

Antsoy ny namana ary ooo

BeBezanozano Style-AkanjotBezanozano Style-Akanjo

08/11/2021

🇲🇬🥰Ny foko BEZANOZANO sy ny momba azy

Ety am-piandohana aloha dia tsara ny manamarika fa tsara fanahy ny bezanozano, sady olona tia miarahaba izay izy ireo rehefa mifanena amin'ny olona.

Moramanga no renivohitry ny foko Bezanozano, 114 km miala an’Antananarivo. Avy amin’ilay randram-bolony madinika “mizanozano”, na mikirozaroza no naharaikitra ny anaran’ity foko iray ity araka ny boky “Firaketana ny fiteny sy zavatra Malagasy”. Fifangaroan’ny Tankay, Maley, Arabo, Jiosy, Indianina ary ny Merina no fototra niandohan’ny Bezanozano, fa ankehitriny kosa dia avy amin’ny fifangaroan’ny taranakin’ny Sihanaka, Betsimisaraka, Betanimena, Merina ary Maromainty.

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny foko Bezanozano ny fisian’ny tsangambato, na ny vatolahy mijoro amin’ny toerana manan-tantara : na eo amin’ny lafiny fivavahana, na amin’ny trangam-piarahamonina izany. Rehefa misy ny zavatra manamarika azy dia asiany tsangam-bato izany. Ohatra : Ny tsangambatom-pasana, ny tsangambatom-pirazanana, ny tsangambaton’ny maty, ny tsangambatom-bazimba, ny tsangambaton’ny doany, ary ny tsangambatom-pototra (rehefa manao trano).

Tsy latsa-danja amin’izany koa ny hazo. Ohatra amin’izany ny Hazomena. Mena aty izy io sady mafy ary antsoina ihany koa hoe Hazo fito masina, izay natokana ho an’ny mpitondra na mpifehy ihany. Na trano fonenana, na fasana hatramin’ny kojakoja ilaina ao an-tokantrano toy ny farafara, lovia aman-tsotro, eny fa na dia ny fitaovam-piadiana aza dia namboarina tamin’ny hazo avokoa. Ny amontana, sy ny voara ary ny aviavy no fanaovana hazom-pototra. Araka ny finoan’ny Bezanozano dia fonenan’ny razana ny ala, na sahan-dRaha (Raha=fanahy, na hery tsy hita), ka izany no antony mampisy ny karazana fadifady any anaty ala. Vao tsy ela mantsy no nisy lahy sy vavy nanao vetaveta tany anaty ala io ka tena niraikitra tokoa satria mpihavy izy ireo ary nanararaotra mangingina kinanjo...

Raha momba ny trano fonenana kosa indray dia manandro ny Bezanozano rehefa hanorina trano. Mijery ny andro tsara sy manambina, ny toerana hahazoan-karena sy mahasalama. Mila ireto zavatra ireto izy amin’izany : ny zozoro, mba ho maro anaka; ny tsilavondrivotra, mba tsy handairan’ny mosavy; ny sodifafana, mba tsy hahalany tamingana; ny vary, mba hitobahan’ny sakafo, ary ny zezika, mba hirariana hahazo omby sy zezika betsaka. Voalaza ary fa ny vary sy ny zezika dia aleviny ao ambanin’ny zozoro, ary ny sodifafana sy ny tsilavon-drivotra dia voleny eo amboniny eo amin’ny zoro firarazana. Ka rehefa vita ny tso-drano dia manomboka amin’izay ny fanorenana trano.

Eo amin’ny sehatry ny fambolena indray, maka salohim-bary fito milonjehi-boa voafantina tsara atao amboara kely, sady ahantony amin’ny hazo, ary ateriny any amin’ny fasan-drazany ny Bezanozano mba ho fanomezana santa-bary ho an’ny razana izany. Vary masaka, voanjobory sy toho ary tantely amin-dronono atao eo ambonin’ny ravin’akondro kosa no santa-bary hoan’ny velona. Eo an-joro firarazana no ametrahany izany ka mangata-bavaka eo izy mialohan’ny hihinana azy.

Eo amin’ny fombafomba hafa kosa, toy ny fiterahana indray ohatra, dia mifandrombaka maka ny ahitra ny vehivavy momba mba hanehoany ny faniriany hanan-janaka. Rehefa misy famorana dia tsy mitelina ny lohatsitsy ny Bezanozano fa tehirizin’ny Raibeny izany. Fantatra ihany koa fa mifampiarahaba foana ny olona amin’ity foko ity rehefa mifankahita mandritra ny tontolo andro. Ary raha misy fandevenana kosa dia ampombainy sakafo isan-karazany ilay maty rehefa ampidirina ao am-pasana, sady ampitondrainy hafatra hoan’ny razana rehetra. Ankoatra izay, ny tandro-trano no marika manambara amin’ny trano fonenana fa mbola velona ny mpivady monina ao, ary tapahina kosa ny ila tandroka rehefa maty ny iray amin’ireo.

Nangonin’Ihony RASOLOMALALA
/Š Malagasy ve ianao

J-J😃😃Ndao hilalao hiaraka aminay raha te ahazo billet gratuit ianao..😊🏃🏃Billet 2 no hozaraina koa mandraisa anjara sao i...
30/07/2021

J-J😃😃
Ndao hilalao hiaraka aminay raha te ahazo billet gratuit ianao..😊🏃🏃
Billet 2 no hozaraina koa mandraisa anjara sao ianao no tsara vintana..👌🏼👌🏼
Toy izao NY fitsipiky ny Lalao:
-Ataovy j'aime ny page👍
- mentionné.o ny namanao ao amin'ny commentaire i.j'aime NY commentaire nao👭👬👫
-Partageo en mode public ity publication ity📢📢
Manankery hatramin'ny 16h NY Lalao ka izay commentaire mahazo j'aime betsaka no mahazo NY billet
Ndao ary dia asao NY namana e
Aza adino fa izay milalao ihany no mahazo a😀😀

Salama daholo 🙂Noho ny fangatahan'ny be sy ny maro♥️ dia ity no hiseo ny @  fotoanantsika   Ny   ho avy izao 🏃🏃 manombok...
19/07/2021

Salama daholo 🙂
Noho ny fangatahan'ny be sy ny maro♥️ dia ity no hiseo ny @ fotoanantsika
Ny ho avy izao 🏃🏃 manomboka amin'ny 🕖 ny fotoanantsika ao amin'ny
🎸
Hiarahana @ mpanakanto avy eto Moramanga 🔥🔥🌃🌃
Njara MarNjara Marcel Ofisialy🎸Njara Marcel Ofisialygelo SantAngelo Santatriniainaaina🎸🎸(Band Gôna)
Hisy ny 🍸🍸🍻 Sy 🍖🍗🥩 isan-karazany.
Koa dieny izao ny fotoanantsika 🕖🕖


👉TONGAVA MARO GÔNA A👊👊

07/07/2021
17/05/2021

Coucou...
Ndao indray isika ilalao e...
Iza avy no manana sary amin'ilay Bezanozano Style-Akanjo antsika?!
Ho ataontsika pdp-pdc any page ireny sary ireny fa alefaso ai amin'ny commentaires na MP amin'ny page ho an'izay manana,,NY pdp olona iray izay maharesy lahatra antsika fa NY pdc ataontsika collage...
Taggeo izay fantatrao ary sao adino a
Aza adino NY manasa NY namana i abonnĂŠ NY page a
Bisous...

Send a message to learn more

Tee-shirt   Moramanga100% cotonPrix:15000arTaille XL Couleur Rouge -NoirReo sisa no dispo
24/09/2020

Tee-shirt
Moramanga
100% coton
Prix:15000ar
Taille XL
Couleur Rouge -Noir
Reo sisa no dispo

Tee-shirt enfant..1an Ă  10ansSur commande..Prix 14000ar
11/08/2020

Tee-shirt enfant..
1an Ă  10ans
Sur commande..
Prix 14000ar

06/08/2020

Coucou daholo..
Mbola ao tsara daholo an...
Ilalao kely indray tsika an..
Mialoha anzany anefa dia afaka maneho hevitra isika rehetra hoe inona no kilalao ataontsika?!
Miankina amintsika ny kilalao ho atao afaka ora vitsy..
Ndao ary

15/06/2020

Salama daholo o...
Indro atolotra antsika androany ny valin'ny lalaontsika
Eto izahay dia mankasitraka an'ireo nandray anjara rehetra, araho atrany ny page fa mbola betsaka no hiarahantsika ato

Miarahaba manokana an'i Noromamy Ramahefa izay nahazo ny loka...
(Mba miditra mp azafady)

Aza miala ary aza kivy fa mbola fiatombohany ihany ito,mbola be ny ho sisa

Misaotra antsika

Andao mba hilalao oo...Ahazoanao cadeau surprise avy amin'ny " Bezanozano Style-Akanjo "Tsotra no atao..1-Mentionenao ao...
14/05/2020

Andao mba hilalao oo...
Ahazoanao cadeau surprise avy amin'ny " Bezanozano Style-Akanjo "
Tsotra no atao..
1-Mentionenao ao amin'ny commentaire ny namanao (3)
2-Partagenao ao amin'ny mur anao ity publication ity
3-Aza adino ny mi j'aime ny page

Izay manaraka ny fitsipika ihany no tafiditra ho isan'ny mpifaninana .
14mai-14juin ny fisarihana

Ndao ary ee

Address

Moramanga

Telephone

+261342119378

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bezanozano Style-Akanjo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share