08/03/2026
Pika sary 🥰 tamin’ilay Voyage 1ère Édition niarahana tamin’ny SOA BETSY Voyage et Émotions tamin’ny 01 Mars lasa teo 🤗❤️
Feno hafaliana, fihomehezana, fifankatiavana ary fahatsiarovana mamy niarahana taminareo rehetra 😍
🙏 Misaotra indrindra anareo rehetra izay niara-dia sy nandray anjara tamin’ity aventure ity 🥰
Ny fahatongavanareo sy ny fahatokisanareo no nahatonga azy ho fotoana tena nahafinaritra sy tsy hay hadinoina.
🙏 Fisaorana manokana ihany koa ho an’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka, izay nanampy sy nanohana anay tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity
💫 Ary mampanantena izahay fa mbola hanomana zavatra vaovao, miavaka ary feno émotions kokoa amin’ny 2ème Édition izay efa eo am-panomanana amin’izao fotoana izao 🤗
✨ Ho traikefa sy fahatsiarovana iarahana mamorona ❤️