24/09/2026
ALOHAN’NY FAHA-35 TAONANAO
1. Ataovy tsotra aloha ny fiainanao.
Tsy voatery hividy entana luxe ianao, na zavatra lafo izay mbola tsy tena ilainao. Aza mandany vola fotsiny mba hanehoana amin’ny olona hoe manana ianao.
Mifantoha amin’ny fototra: fiainana milamina, vola anaty tahiry, fahaiza-manao ary fananana afaka hanampy anao amin’ny hoavy.
2. Aza miraharaha ny vavan’olona.
Tsy olana raha mbola tsy manana zavatra betsaka ianao. Tsy olana koa raha mbola mitady vola sy manangana ny fiainanao ianao.
Tsy ny hevitry ny olona no hanova ny fiainanao, fa ny safidinao sy ny zavatra ataonao isan’andro.
3. Aza matahotra ny hanao échec.
Aza matahotra ny hanomboka, na dia avy amin’ny aotra aza. Aza matahotra ny tsy hahomby, ary aza matahotra ny hamoy olona tsy manampy anao hivoatra. Mbola fotoanan’ny fanandramana io, ka rariny raha mbola handalo échec maro ianao.
Olona efa manana expérience tsara amin’izany ianao aorian’ny 35 taona, fa ataovy aloha ny fahasahiana.
4. Aza tia sipa maro.
Betsaka ny tanora mandany ny fahatanorany amin’io fotoana io, nefa vao mainka mamotika ny fahatanorany amin’ny sipa maro. Raha manana olona vitsivitsy azo itokisana, ianarana ary mifanampiana ianao dia ampy.
Ny fidiram-bola no ataovy maro, fa tsy ny olona hiarahanao mandany fotoana sy hery.
Raha fitinina dia : MANANGANA, MANANGANA FIDIRAM-BOLA MATANJAKA ALOHA
Aza mikoropaka ary aza kivy raha mbola mahantra ianao alohan’io fa fotoany echec sy fananganana io ka aza maika ny hampiseo hoe efa manana aho raha misy vola kely.