12/07/2025
Ndao ianatra zavatra mahasoa ndray aloh e,hoan'izay mbola tsy mahay dia manandrama e
Fanamboarana PATE NEMS sy SAMOSA
Zavatra ilaina :
- 250 g de farine
- Rano matimaty izay mampitsiranoka azy ( Tsy toy ny pate à crêpe , matsora kokoa )
- 1 cas d'huile
- sira kely
Fikarakarana azy :
1- mixena miaraka izy rehetra eo amin'ny 1mn dia mety.
2- ataingina ambony afo ny lapoaly ( lapoaly anti adhésive na lapoaly tsy miraikitra no apiasaina amin'ny afo malefaka )
3- tsy mila osorana menaka ny lapoaly, atao anaty pate ny pinceau de cuisine dia osorana amin'ny lapoaly . Otran'ireny mandoko reny. Rehefa feno tsara ny lapoaly dia mety , jereo tsara ny sary .
4- avela kely 1mn eo ny pate anaty lapoaly dia miendaka ho azy dia esorina. Tokony tsy hiraikitra mihitsy io an! ( tsy avadika iany koa) .
Izay vita dia elanelanina farine mba tsy hiraikitra , zany hoe raha mavita pate 1 dia fafazana farine kely aloha dia apetraka eo amboniny indray ny pate vita manaraka dia toy izay hatrany.
❎RECETTE FARCE SAMBOS❎
🔸Zavatra ilaina :
- 500g totokena
- Tongolo maintso
- 1 tongolo oignon
- 3 hasina tongolo gasy
- Kotomila
- 1 c à soupe poudre paprika
- 1 càs Sira
- Menaka fanendasana
- Voatabia kely
fikarakarana :
Endasina anaty lapoaly daholo ny fangaro rehetra dia avela hangatsiaka vao atao anaty pate à sambos dia endasina.Mazotoa 🤓🧑🏽🌾😋🙋🏽♀️😽👌🏾
Aza adino miabonné page hanarahanao fampianarana recette gratuit isankarazany merci beaucoup ❤️