Vidy mora SHOP

  • Home
  • Vidy mora SHOP

Vidy mora SHOP Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vidy mora SHOP, Shopping & retail, BEHORIRIKA, .

Ohabolana 31:10-31 MG1865Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy n...
07/09/2026

Ohabolana 31:10-31 MG1865

Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany. Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany. Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny. Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny. Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa. Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona. Manao akanjohariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto. Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany. Mitandrina tsara nyataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana. Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra. Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina. Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.

02/09/2026

Address

BEHORIRIKA

101

Telephone

+261343918006

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vidy mora SHOP posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your business to be the top-listed Shop?

Share