06/05/2026
📘 Diagnos'tsika by Top Diag Mada
✍🏻 Inona no atao hoe DIAGNOSTIC AUTOMOBILE?
👉 Araka ny efa fantantsika momba ny OBD, dia andao hiditra lalindalina kokoa amin’ny diagnostic automobile.
🔍 1. Inona no atao hoe diagnostic automobile?
➡️ Ny diagnostic automobile dia fomba iray handinihana ny rafitra anaty fiara mba hamantarana ny tsy fetezana (anomalie), na dia mbola tsy misy panne aza.
👉 Amin’izao fotoana izao, ny fiara dia tsy mécanique fotsiny intsony fa efa électronique sy intelligent
👉 Midika izany fa misy données, misy calcul automatique ary misy système manara-maso tena izy.
⚙️ 2. Ahoana no fiasan’ny diagnostic ?
➡️ Ny fiara maoderina dia misy: ECU (calculateur) iray sy capteurs (sensor) maromaro.
👉 Ireo no mandrefy ny état an’ny moteur sy système
👉 mandefa informations
👉 mitahiry olana amin’ny endrika: ➡️ code erreur (DTC), Ohatra: olana carburant, olana capteur, olana elektronika.
➡️ Rehefa misy problème ny fiara dia “miteny” amin’ny alalan’ny données
🧰 3. Fitaovana ampiasaina amin’ny diagnostic
Mba hanaovana diagnostic dia mampiasa:
🔎 Scanner OBD2: mamaky code erreur
🔖 Multimètre: mandrefy courant sy tension
💻 Ordinateur diagnostic: manadihady données
📡 Oscilloscope: mahita signal électrique
🚗 4. Inona no tanjon’ny diagnostic automobile ?
👉 Ny diagnostic dia tsy hoe mahita olana fotsiny fa:
✔️ Mahita ny tsy fetezana (anomalie)
✔️ Mahafantatra ny antony (cause)
✔️ Manoro vahaolana (réparation) sy fisorohana (prévention)
➡️ Raha tsorina: 👉 Mahita ny tsy fetezana ➜ Mahatakatra ny antony ➜ Manamboatra ➜ Misoroka.
➡️ Ny diagnostic dia tsy miandry panne, fa misoroka azy.
🎯 FAMINTINANA
Ny diagnostic automobile dia:
📌 fomba manampy hamantarana ny tsy fetezana (anomalie na détection de panne)
📌 mifototra amin’ny système électronique, ny capteurs ary ny données ao anaty fiara
📌 mampiasa fitaovana manokana toy ny valise diagnostic, scanner OBD2
📌 Ary mifandray mivantana amin’ny: ➡️ OBD sy code erreur (DTC)
🥰 Araho hatrany ny pejy
👍 Aza adino ny manao SUIVRE sy PARTAGE
'tsika