06/09/2021
🌼🌼🌼 Z.A.Z.A S.A.L.A.M.A S.Y M.A.H.O.M.B.Y🌼🌼🌼
Arahabaina daholo ny Ray aman-dreny noho ny ezaka lehibe nataonareo ka mahatonga ny zanakareo ho tafiditra an-tsekoly handia ity taom-pianarana vaovao ity, mirary fahombiazana tanteraka hoan'ireo zanatsika ireo isika.
Na izany aza anefa dia zava-dehibe ihany koa ny fanohanantsika azy ireo ara-tsaina. Antony izarana ity hafatra androany ity. Tsy misy tongalafatra isika fa samy miezaka ny hahasoa ireo dimbintsika, manaraha finaritra.
🌼🌼AROVY IREO ZANATSIKA AMIN'NY RARIN-TSAINA🌼🌼
Tsy ny olon-dehibe irery fa na ny ankizy sy ny zaza ihany koa dia mety ho lasibatry ny 📌STRESS📌 na ny 📌rarin-tsaina📌.
🌿- Ireto no anisan’ny marika hamantarana fa hiharan’ny rarin-tsaina ny zaza:
rera- dava, malain- komana, tsy mahita tory loatra, tia mitokatokana, kizitina, tsy mifantoka amin'ny fianarana, kamo.
🌿- Ireto no anisan’ny antony ahazoan’ny zaza rarin-tsaina ? (avy ao an-tokatrano na avy any an-tsekoly):
Ny toetran'ny ray aman-dreny masiaka loatra, manevateva , kizitina , miady mivady , mikorontan- dava, ny fisarahan'ny mpivady indrindra indrindra.
Ny mpampianatra masiaka , manambany ankizy , miangatra , mampanao lesona na devoara lava be, ny ankizy mamono na mankahala samy mahatonga fahavoazana eo amin'ny sainy , ny toe- pony ary ny fahasalamany.
🌿-Anisan’ny Vahaolana azo zaraina:
👉 Manana adidy lehibe ny Ray aman-dreny haneho tambitamby sy fitiavana ny zanaka, hajao izy , aza tevatevaina , mba miaraha milalao aminy.
👉 Hoanareo Ray sy Reny mifamaly imason’ny zaza na mikasa ny hisaraka, tsarovy mandrakariva fa hanamelo-tena ny zanakareo ka hihevitra fa izy no antony hisarahanareo ka raha laharam-pahamehana hoanareo ny zanakareo dia DINIHO TSARA ny fanapaha-kevitra raisina.
👉 Ry ray aman-dreny, mpampianatra sy mpanabe, meteza ho namana akaikin’ny zaza isika fa tsy ho tonga biby fampitahorana azy ireo.