Neny sy Tsoutsou

Neny sy Tsoutsou Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Neny sy Tsoutsou, Shopping & retail, Antananarivo, Andoharanofotsy, Andoharanofotsy.

I Korintiana 13: 4-5 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, ts...
14/02/2026

I Korintiana 13: 4-5
Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.
🥰🥰
( Sary tamin'ny mbola tsy nisy zaza 😅😊)

Misy fotoana isika tsy mahay MANKASITRAKA 😣Fa te hitsiriritra fiainan'olona foana ☺️ dia ny ratsy eo amin'ny fiainanao f...
29/01/2026

Misy fotoana isika tsy mahay MANKASITRAKA 😣
Fa te hitsiriritra fiainan'olona foana ☺️ dia ny ratsy eo amin'ny fiainanao foana no hitanao.

Ny fiainanan'olona foana no tiana sy tsara be ohatra: Rabe tsara karama, Rasoa miadana, Rabozy Nahazo moto, Ikoto mivady Tena mifankatia be 😂😂

Aoka izay 🤚🤚🤚 Tiavo izay hanananao sy izay misy eo aminao. 😍😍😍 Aza variana mijery fiainanan'olona na mampitaha fa io ny anao.

Ny hezaka sy ny asa atao mafy be 🥰🥰 dia aforero ny lohalika fa Hasandratr'Andriamanitra foana ianao e!

Mitanaka fotsiny aho mahita vidéo maro be 😣 Resaka adala 😣 Teny ratsy variraraka, sahirana mafy ny sofiko .... Izao Zala...
28/01/2026

Mitanaka fotsiny aho mahita vidéo maro be 😣
Resaka adala 😣
Teny ratsy variraraka, sahirana mafy ny sofiko ....

Izao Zalah : Na inona na inona hatezerana na fahatairana misy koa ny fifaliana.. fa aza MITENY ratsy 🙏🙏🙏 e!

Tsy mihaja e..

+1 🎉🎉 FAHASOAVANA Tsy ampy ny teny rehetra entiko hisaorana ny Tompo satria Nihazona ny tanako Izy ary tsy namely ahy ho...
26/01/2026

+1 🎉🎉
FAHASOAVANA
Tsy ampy ny teny rehetra entiko hisaorana ny Tompo satria Nihazona ny tanako Izy ary tsy namely ahy ho irery, ho faty sy ho rava fa nanangana sy nanasitrana ary Namonjy ahy ...

Feno be ny foko fa Misaotra ny manodidina ahy rehetra ihany koa 💞🥰 fa indrindra i
Mandrantosoa LeProf

Bonjour les amis 😍Hamaky Drap za ry maman isany ah... Tena mora izy ato nefa soa soa e 😅☺️pas plus de 15.000 ar nefa 2-3...
23/01/2026

Bonjour les amis 😍
Hamaky Drap za ry maman isany ah...
Tena mora izy ato nefa soa soa e 😅☺️

pas plus de 15.000 ar nefa 2-3 places
Araraoty fa mandalo ny tsara nefa mora

Bonjour , Bonjour ..... Mbola vao 22 Janvier androany 😂😂 mihisatra be ingiahy Janvier 🙄SAKAFO MARAINA no andeha atao res...
22/01/2026

Bonjour , Bonjour .....
Mbola vao 22 Janvier androany 😂😂
mihisatra be ingiahy Janvier 🙄

SAKAFO MARAINA no andeha atao resaka aloha ny amin'ny androany.
Ianareo ve mihinana sakafo maraina ara-dalana tsara?
Ny sakafo maraina mantsy no miantoka ny tontolo andro ka tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy 😁.
Inona no sakafo maraina anareo ?
Ny ahy tena kitoatoa be indraindray : Ataon'ny Composé sy ron-dasopy be vao maraina ..
Ny kibo foana no angezaina..

Fa ny mahagaga, izy dahy vitako milamina tsara ny sakafony, fa izaho mihitsy no misy rivotra amin'ilay tsy mihinana vary maraina ao an-trano e 😂😂

bonne journée olo jiaby

Araka ny hevitrao Inona no atao  Hampaharitra ny TOKANTRANO 💖 ?  Amiko  manokana : ( lavalava fa mazotoa mamaky) -  Mila...
20/01/2026

Araka ny hevitrao Inona no atao Hampaharitra ny TOKANTRANO 💖 ?

Amiko manokana : ( lavalava fa mazotoa mamaky)

- Mila mivavaka ny mpivady, tena mivavaka fa tsy mivavabavaka 😁🤣😆 satria tena mila an'i Jesosy io Tokantranontsika io zalah e!
Ny enta- mavesatra be ao, ny Olana, ny tsy fisiana , ny raha jiaby e! Mila Azy 😍. Misy fotoana Tsapanao hoe tapitra hatreo ny herinao, ny fahafahanao, ny fahalalanao . Tsy afa- manao na inona na inona intsony fa tapina ny lalana. Dia iny isika vao midododo 😁 hoe Aiza ianao Jesosy o?
Tsara noho izany ny mametraka an'i Jesosy ho Lohany hatrany ary Ivon'ny Tokantranontsika 💓

- Faharoa dia Tena Mila MIFAMPIHAINO Sy MIFAMPIRESAKA ary Tsy MIFANAFINA na inona na inona 👌.

- Fahatelo , mila stable ny fiainana ( ara-bola ) indrindrindrindra. Tsindriko kely ity satria hitako hoe rehefa tsy misy ny vola dia misavoritaka foana e! Mety mbola ho sarotra ilay hoe stable fa mila miasa tsara sy miasa mafy dia mifanohana e! Tsy mahazo mipetrapetraka izany fa mila mampiasa saina hoe inona no azo atao am-pahamarinana. Fa tsy misy mahavita ny fiainanao eo fa ianao no mihezaka manatsara azy .

- Ataoko farany ity 🤣 FITIAVANA.
mila Fitiavana ao an-tokantrano ao e! Tiavo ny vadinao fa io ihany no mahavita anao anie e! na misy ny tsara any ivelany ihany na misy ny toetra tsy zakanao sns.... Io ilay nekenao dia Tiavo ilay hazofijaliana kelinao e 🤣🤣

izay fa mirary tontolo andro mahafinaritra be ..
Tahian'i Jesosy aby

Filipiana 4:6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo man...
19/01/2026

Filipiana 4:6
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.

Tena nohamarin'ny Tompo tamiko ity teny ity ry Namako🥰
Ao anatin'ny ady sy ny tebiteby iny mihitsy isika no mila MAHATOKY sy Mino fa Hiasa ny Tompo . Mampiasa Finoana e! 🥰🥰🥰
Courage be ho an'ireo izay mandalo ady amin'izao

TSY HAMELA IRERY NY TOMPO 💗

verset du Jour 🥰bonne journée avec Jésus
16/01/2026

verset du Jour 🥰
bonne journée avec Jésus

Izy no Miora na ihany koa I Asta  🥰Mitaiza azy Dahy kely 🥰🥰🥰🥰🥰Misaotra azy Misy 🥰
14/01/2026

Izy no Miora na ihany koa I Asta 🥰
Mitaiza azy Dahy kely 🥰🥰🥰🥰🥰
Misaotra azy Misy 🥰

👉 Afaka manova fiainana ny vola satria manatsara ny fari-piainana.🥰🥰Manova fiainana ny vola, saingy tsy mahavidy ny  fah...
13/01/2026

👉 Afaka manova fiainana ny vola satria manatsara ny fari-piainana.

🥰🥰
Manova fiainana ny vola, saingy tsy mahavidy ny fahasambarana sy ny fahasalamana.

👉 Manova fiainana ny vola : manokatra varavarana maro, nefa mety hanova ny toetra ary Handrava ny FIFANDRAISANA Amin'ANDRIAMANITRA mihitsy rehefa tsy hay ny mitantana azy .
Efa voasoratra fa

1 Timoty 6 : 10
“Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ary noho ny fitiavana izany dia misy sasany nania tamin’ny finoana ka nandratra ny tenany tamin’ny alahelo maro.”

👉 Tsy ny vola mihitsy no ratsy, fa ny fitiavam-bola tafahoatra.
Ny Baiboly tsy milaza fa ratsy ny fananana vola, fa mampitandrina kosa mba tsy atao andriamanitra ny vola ka ho Tompoina.

👌 Rehefa tiavina mihoatra an’Andriamanitra ny vola :
mety hitarika fialonana sy fifandirana,
mety hahatonga lainga, halatra, sy karazam-pahotana maro....

Izany eo ihany fa mbola vao 13 janvier androany kai 😂😂😂

Verset du jour 🥰🥰🥰
13/01/2026

Verset du jour 🥰🥰🥰

Address

Antananarivo, Andoharanofotsy
Andoharanofotsy

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Neny sy Tsoutsou posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Neny sy Tsoutsou:

Shortcuts

Share