05/12/2024
💕Salama daholo tompoko💕
Iresaka momba ny fikarakarana sakafon-jazakely manodidina 4 -6 volana isika anio🎉
🍛KOMPOTY AKONDRO MIARAKA AMIN'NY FARILAC🍨
❎Ny sira❎
TSY ASIANA SIRA ALOHAN'NY 1 TAONA
Mandrapaha feno heritaonan'ny zaza , eo amin'ny 1 gramma isan'andro ny sira ilain'ny zaza🍳,ary hita ara-boajanahary anaty ronono( nonon-dreny, ronono artifisialy) izany.
Noho izany,tsy asina sira mihitsy ny sakafon-jaza alohan'ny faha 1 taonany. Mbola marefo ny voan'ny zaza ka mety handreraka na hankarary azy izany☺.
Manomboka 1 taona ,dia afaka asina sira kely ny sakafon-jaza💕
🍨 Kompoty akondro miaraka amin'ny farilac
🌺Ireo zavatra ilaina :
•60 g akondro
•60 ml rano mangotraka
•1 sotro lehibe farilac
🌺Fikarakarana
1- Voasana ary tetehina ny akondro
2- Andrahoina amin'ny rano ireo
3- Totohina amin'ny mixeur
4- Avela hangatsika
5- Maka farilac 1 sotro lehibe , ampina rano mangotraka 30 ml. Afangaro tsara
6- Ampina compoty 2 sotro kely
7- Afangaro tsara
Mazotoa zaza ô , identifieo ary ilay reny mitaiza kely e☺😍
Maman ô, mbola misy menu bedabe afaka hikarakarainao sakafon-jazakely
💞Misy boky pdf fikarakarana sakafon-jaza inty atolotra ho anao amin'ny vidiny mirary🤗🥰.
Mirary satria dia izay vola foinao fotsiny manomboka amin'ny 200 Ar monja.
🥰 Fikarakarana sakagon-jazakely manomboka izy 4 bolana hatramin'ny roa taona
Boky karazany 4 be zao
Boky pdf fikarakarana sakafon-jazakely. Izay foinao no alohanao amin laharana 038 85 990 68 izay misoratra amin' ny Christelle
Misy boky karazany dimy
-4mois : 22 pages
-6 mois : 61 pages
-9 mois : 52 pages
- 18 mois : 75 pages
- 24 mois : 72 pages
💐Ankoatran'io dia mahazo boky pdf "Mes deux premiers années avec mon bébé " ianao. Bonus ho anao izany 😘
Dia mbola misy bonus boky iray omeko anao , izay torolalana momba ny fivoharan'ny zaza vao teràka hatramin'ny roa taona 😘. Ao anatin'izay ny fikarakarana tsara ho fantatra, ny tsia sy ny tokony ho atao amin'ny zaza.Ireo dingana sarotra lalovany.