15/04/2023
😭ONTSA TANTERAKA NY FO💔, NDAO RANGAH HIFANAMPY NA DIA HIPARTAGE FOTSINY ARY SAO MISY VONONA ANY A😭
Johary, 12 taona izy izao dia tena feno fangirifiriana foana ny fiainany : fandidiana 6, fivontosana amin'ny vatana, dyalise in-3 no mampiaina azy izao ary tsy mipipy intsony izy izao 😥 No sady sempotra be mihitsy izy izao.
Zaza voalohany izy ary teraka natao césarienne fa tsy nihetsika mihintsy izy tao am-bohoka. Vao teraka izy anefa dia hitany dokotera fa tsy nisy lava-body. Nanomboka teo ny rahona mainty sy mavesatra tsy maintsy hatrehin'ireo Ray aman-dreniny.
🏥 1ère opération : nodidiana izy namoahana ny malotony
🏥 2ème opération : feno telo volana izy namboarina ny lava-bodiny
🏥 3ème opération : feno enim-bolana izy nodidiana indray namerenana ny malotony tany ambany amin'izay
🏥 4ème opération : tsy nivoaka ny mahalelahy azy dia natao opération indray izy sady natao didimpotra
🏥5ème opération : nanavy foana izy dia natao échographie. Ka hita fa simba indray ny lalany pipiany dia nodidiana indray izy nanaboarana izany
🏥6ème opération : mbola tsy afaka ihany ny manavy feno 9 taona izy dia hita fa mibontsina indray ny vessie any tsy tafavoakany ny pipiany dia nodidiana indray izy nanamboarana lalana eto aminy kibo ny pipiany.
Amin' izao dia simba avokoa ny ⭕️ REIN any 2 ⭕️. Ka lasa manao insuffisance rénale chronique izy amin'izao ka miatrika dialyse in-telo isak'erinandro satria miparitaka ao anatin'ny vatany ny malotony. Voafetra ny rano sotroiny satria tsy afaka mipipy intsony izy izao.
Rehefa nifampiresaka taminy néphrologue izay manaraka azy amin'izao ireo Ray aman-dreniny dia nilaza izy ireo fa ho sarotra ny anaovana greffe rénale azy raha tsy hita izay hatao aminy vessie any satria io vessie io mihitsy no misy malformation. Tena tsy vota eto an-toerana ny fitsaboana ka mila vonjy amintsika izy ireo tompoko.
Dia misaotra sahady amin'ny tsy fisoronareo ka nanekenareo hamaky ny tantaran'i Johary kely. Lafo dia lafo ny fitsaboana koa mangataka vonjy amintsika izy mianakavy kely tompoko.
Mila ireto fanafody manaraka ireto izy tompoko : TRIATEC cp, Calcium, Fedate sirop, Sterogyl, Kayekalate, Renagel, Myrcera. Mitontaly eo amin'ny 500.000 eo ho eo ireo fanafody tompoko.
Ny fanafodin'ny dyalise mitentina eo amin'ny 200.000 ar eo isaky ny manao. Tena efa tsy maharaka intsony ny eo am-pelantanan'izy ireo tompoko. Ny session dia efa raisin'ny fanjakana an-tanana fa ny fanafody tsy maintsy hiantohan'ny Ray aman-dreniny tompoko.
Ireto ny numéro ndry zareo mivantana:
💚 034 64 990 68 (Mvola)
🧡 032 39 514 14 (OrangeMoney)
Misoratra amin'ny Reniny :
Maminiaina Ravoniarimalala
Tompo anie hamaly avo zato heny ny fanampiantsika azy mianakavy kely sy ahafahan'i Johary kely miaina.