01/01/2026
❤️❤️❤️ 2026 , Success comes here ❤️❤️❤️
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2026 🥳🥳🥳🥳🥳
Ny fiandohan’ny taona toy izao dia fotoana iray ahafahatsika rehetra mandray fiandohana vaovao indray 🥰🥰🥰🥰🥰
Manomboka ny taona dia handray départ vaovao indray isika.
Ny taona no miova, ny taona no vaovao, fa fiainana rehetra dia mitohy toa ny teo aloha hatrany.
Mety hisedra olana, mety handalo zava-tsarotra,
Fa kosa :
📌 Raiso am-pitsikiana foana izay miseho
📌 Aza Milavo lefona na toa Inona mety ho Sedra miseho
📌 Ny tsara foana banjinina
📌 Ny tanjonao atao laharam-pahamehana
📌 Aza mandany andro sy fotoana amin’ny zavatra tsy mitondra soa sy fifaliana ho anao
📌 Tohizo izay tsara efa vita ary hatsaharo izay mety ho nandreraka ny fo sy saina
📌 Ary indrindra : “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia azy, fa ataony tanteraka izany “
Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho antsika mianakavy 😘😘😘😘
Hombam-pahasalamana sy fahombiazana hatrany anie ny andro rehetra ho diavintsika amin’ity taona ity 🥰🥰🥰🥰
Tahian’ny Tompo mandrakariva isika mianakavy 😘😘😘😘
Fihina sy Oroka Mamy Be ❤️❤️❤️❤️❤️