29/08/2025
Ry foko
Ry foko mitonia
Miangavy aza tia intsony
Raha sitrakao re matoria
Mahasosotra...manorisory
Tianao ve ny hijaly indray
Haratra de avy eo hitomany
Sa ianao ve tsy mba fay
Sa efa zatra miaina izany
Ry foko mahonena
Aza de mora tia
Eny eh. ..ny fitia anie tsy terena
Fa miangavy mitonia
Ry foko iantrao
Ity vatana sy saina
Sao sanatria fitia kilalao
Ka ampahory ampitaraina