28/05/2025
ATAOVY TENA TSARA IZAY ANAO
💪 Raha miasa ianao? Ataovy tena tsara be mihitsy ary ataovy am-pifaliana sy am-pitiavana feno fahazotoana izany
✍️ Mianatra ianao? Aza amelana mihitsy raha tsy hay tsara izany, ataovy am-pifaliana sy amin’ny fanantenana fa hisy vokany tsara
❤️ Manana olon-tiana na vady ianao?Tiavo sy karakarao tsara fa safidinao izany
👨👩👧👦 Manana ankohonana ianao? Ireo no akaiky anao indrindra ka hajao sy omeo lanja ary indrindra atao laharam-pahamehana
Izay rehetra anao,dia ankafizo sy omeo ny tsara indrindra ,atotony ny hery rehetra mba tsy hanenenana fa hitondra hafaliana sy fahombiazana izany
Miabo amin'ny tsara