02/03/2026
✈️ Alefa Avion sa Alefa Sambo ? Torohevitra ho an’izay manafatra any Chine
📦 Rehefa manafatra entana avy any Chine dia matetika isika no misalasala hoe :
Alefa avion ve sa alefa sambo ? Ireto misy fanazavana fohy hanampy anao hisafidy araka ny ilainao sy ny tetibola misy ao aminao.
✈️ 1. Alefa Avion : Haingana, saingy lafo kokoa
✅ Tombony :
- ⚡ Tonga haingana be (3–10 andro eo ho eo)
- 🎯 Mety ho an’ny entana kely, maivana, na entana ilaina maika
- 💵 Vetivety ny retour sur investissement raha entana be mpividy
❌ Fatiantoka :
- 💸 Frais lafo kokoa satria mandeha par kilo ny frais d’avion
- 🏋️ Tsy dia mety amin’ny entana mavesatra
👉 Safidy tsara raha :
- ⏱️ Ilainao maika, na entana amidy maika ka mila tonga malaky
🚢 2. Alefa Sambo — Mora kokoa, fa mandany fotoana
✅ Tombony :
- 💰 Mora lavitra ny frais (mety ho antsasany na ampahefany @ ny saran’ny avion mihitsy aza)
- 📦 Mety tsara amin’ny entana betsaka en gros sy mavesatra
- 🤝 Safidy tian'ny mpanafatra matetika amin’ny fivarotana en gros.
❌ Fatiantoka kosa raha :
- 📏 Tsy voakajy mialoha ny mety ho angezan’ny entana hafarana
- 🕰️ Mila fandaminana mialoha sy faharetana satria raha hivarotra @ 26 jona, tokony volana Mars dia efa hafarana ny entana sy kilalao amidy @ fety
🧭 Noho izany… Inona no safidy tsara ?
- ✈️ Raha maika sy kelikely → Alefa avion
- 🚢 Raha entana en gros sy manana faharetana → Alefa sambo
⭐ Ny tena zava-dehibe dia ny fahafantarana sy ny fahaizana manafatra entana tsara nefa mora mba tsy aha faty antoka anao.
📌 Torohevitra farany:
💬 Soraty kosa hoe “FORMATION AVANCÉE” raha te hisitraka fihofanana mantihanina miampy Suivie à vie ary accès contenu Premium mandrapatongan’ny entana tianao hafarana avy any Chine makaty Madagasikara ao anaty herinandro monja (Arrivée 3 à 5 jours). Ho arahinay sy atoro anao daholo ny lalana mandrapahatongan’ny entanao nalefa sambo sy nalefa avion.