03/05/2022
Ho mamiko....!
Mba mamiko tokoa ny miaina eto an.tany,na dia misy fahavalo.
Fa miezaka aho hifaly sy hanarina an ´izany.....Na dia hoe:mandalo...!
Tiako sady mamiko ireo olo.marobe,
na mankahala aza.
F ´ireny no hampitombo,ny harena be dia be.....dia ny taniko halaza.
Mba tiako koa ianao raha manana fitia,hitondra hasambarana.
Hiarahana mizara ny fiainan.tsika ety,.....hatrany am.pitsaharana.
Mba faniriako koa,raha toa i Gasikara no mba hiarin.doha.
Ka hanondrotra avo ´reo zanaka amam.para,ho sambatra tokoa.
Mba tiako ihany koa,raha toa tsy tia tena ny zanaky ny gasy.
Mba ho olom.banona sy feno fahendrena,ka tsy hangasihasy.
Ny ambato/03-05-22/