18/10/2025
âď¸CYCLONE âď¸
https://www.facebook.com/share/1ArLQFZ72p/
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO MADAGASIKARA| 17 Oktobra 2025 taminâny 06 ora hariva
đFirafitra ankapobenâny toetry ny andro
âď¸ Misy faritra andro ratsy mitoetra ao aminâny ranomasimbe Indiana, ao atsinananâny Nosy Diego Garcia. Efa hita taratra aminâny sarinâny zanabolana ny tambolon-drivotra miaraka aminy, arahina rahom-baratra saika mitoetra manodidina ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy tato anatinâny 24 ora farany. đAny aminâny manodidina ny 3131 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinananâi Antalaha no nisy ny foibeny ny tolakandro teo.
đAraka ny singa voaray ny maraina teo dia tombanana manodidina ny 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra ao anaty oram-baratra.
đFironana ato anatinâny dimy andro manaraka
âď¸ Tombanana hanohy ny diany hiakandrefana somary Atsimo Andrefana ity faritra andro ratsy ity ato anatinâny dimy (5) andro manaraka. Tomombana aminâny ankapobeny ny firafitry ny habaka, ka hanamora ny fivoarany.
đNoho izany dia vinavinaina ho lasa rivodoza ity faritra andro ratsy ity aminâizao faranâny herinandro izao. Raha izay no miseho dia hitondra ny anarana hoe CHENGE izy.
âď¸ Tsy hisy fiantraikany aminâny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany ato anatinâny dimy andro ho avy. Tsy mbola misy ihany koa ny filazana loza mikasika ity tranga ity.
đEntanina kosa ny mponina aminâny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa mba hanaraka ny vaovaonâny toetry ny andro indrindra manomboka ny fiandohanâny herinandro manaraka.đ
âźď¸Araho mandrakariva ihany koa ny toro-marika omeny manam-pahefana isan-tokony.âźď¸
đ MĂŠtĂŠo Madagascar
Ministère des Transports et de la MÊtÊorologie de Madagascar