02/10/2025
Vavaka ho an'ny asa sy ny fidiram-bola
- Jesosy Γ΄, tsy moramora zao fiainanay iainanay ankehitriny izao.
- Toa ady isan'andro no atrehinay, izay mba azo tsy maharitra fa vetivetiny dia lany.
- Miafy, izay kely ananana no atao zay hahampy azy mandram-patonga ny farany ny volana.
- Tsy ampy, tsy hita izay iantorahana afa tsy Aminao irery ihany.
- Mamindra fo aminay Jesosy Γ΄, ary mamelΓ ny helokay fa tsy fantatray intsony izay ho ataonay.
- Ampio zay mba asa ataonay na any amin'ny birao na varotra na fiompiana na fambolena na fitaterana, na ireo fidiram-bola maro tsy voatan'isa izay ataonay tsirairay avy mba hanananay fiadanana.
- Ampio koa ireo namanay mbola anatiny fitadiavan'asa ankehitriny; Omeo zay asa sahaza ho azy koa izy ireny.
- Tsaroanay ilay teninao hoe "Mankanesa atα»³ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana"(Matio 11:28).
- Kay izany no anantonanay anao ankehitriny, fantatray fa Andriamanitra be fitiavana Ianao, Andriamanitra lehibe indrindra, tsy misy azo ampitahana Aminao, izay zavatra tsy hainay sy tsy takatrin'ny sainay dia hainao atao.
- Amin'ny anaran'i Jesosy kristy no entinay mangataka izany vavaka izany.
Amen! π