24/05/2025
Andao hanova fiainana ho an’izay vonona.
Io fiainana io, toy ny fahitalavitra: rehefa tsy mety aminao ny hira mandeha na ny fandaharana hita eo, dia raisinao ny “commande” dia ovanao fotsiny ilay chaîne.
Toy izany koa ny fiainana.
Rehefa tsy mahafa-po anao intsony ny fiainanao amin’izao dia raiso ny “commande”, avy aminao io, dia ovay.
Satria ianao irery ihany no afaka manova an’io.
Ka ahoana no hanovana azy?
⸻
1. Mila resy lahatra aloha fa tsy mety aminao io fiainanao io.
Tsy maintsy ekenao aloha fa misy zavatra tsy mety. Raha vantany vao vonona ianao hanova, vao misy miova.
2. Manaova zavatra vaovao.
Raiso andraikitra, ovana ny asa, ovana ny fahazarana ratsy.
Izany no manokatra lalana ho amin’ny fiainana hafa.
3. Mianara zavatra vaovao.
Mila mianatra zavatra vaovao ianao mba hatonga anao ilain’olona. Aza asiana excuse hoe ka zay tsisy vola. Raha tsy manam-bola hanaovana formation dia misy YouTube, misy ChatGPT sns…
4. Ampiharo ny zavatra nianaranao.
Aza mitahiry fahalalana fotsiny. Tsy misy “examen” eto amin’ny fiainana – ny fampiharana ihany no examen ho anao.
Raiso ny fahalalana, dia ampiharo avy hatrany.
5. Ovao ny “environnement”-nao.
Raha olona manimba no manodidina anao, dia mamoròna tontolo vaovao. Mety ho sarotra, fa tsy maintsy atao.
6. Mifantoha amin’ny zavatra mampandroso.
Aza mijanona amin’ny fialamboly mahafinaritra fotsiny.
Zavatra mahasoa no ifantohana.
7. Manàna amizay faharetana rehefa manao zavatra.
Eny, sarotra ny manova fiainana. Fa izay maharitra ihany no mahita vokatra. Aza mandany fotoana manandrana zavatra fotsiny, fa manàna tanjona mazava sy fanahy mafy.
⸻
Zay izy rehefa hanova fiainana ianao
Ndao hovana amizay io fiainana io fa amintsika ihany no “commande” hanovana an’io.
✅ Aza manaiky ho resy.
✅ Samy mafy na fiainana na ianao, fa ianao no tsy maintsy handresy.
Réussir avec Martin