26/09/2025
RY FIRENEKO 🥺
Indrisy ry fireneko😭
Toa mbola fijaliana foana no hiainanao hatreto
Ilay hoe ho tany sambatra,
Hiadana sy ho finaritra
Hatramin'izao toa mbola nofy
Fa ilay nosy?
Tena vao mainka mahonena
Fa latsaka an-katerena
Indrisy mantsy ry fireneko😭
Ireo Ray aman-dReny be taloha
Nitolona tamin'ny fo
Mba nanao vy very ny ainy
Hoe ho an'ny tanindrazany,
Hiadanan'ny taranany
Niady mafy ho anao
Fa mbola tsy tafavoaka hatramin'izao🥹
Indrisy ry fireneko😭
Mampirongatra ny sento
Firifiry moa izay teto,ireo ra latsaka?
Sanatria ve toy ireny rano raraka?😔
Fa hatramin'izao tena mbola miady amin'ny fiainana,
tsy manam-pitsaharana
Tsy mba misy hitarainana,
tsy misy hifaharana
Ny fahafahana efa tsy hananana intsony
Efa notakonana,very koa ny zony
Ny kolikoly,tsy lazaina intsony
Tsy misy fiovana
Lavitra hazavana
Ilay fanahy,natao maha olona moa
Indro tsy hita intsony ny nisy azy
Fa nisolo toetram-biby,mahavaky fo
Tia mamono sy miantsy ady
Ny hoe fihavanana sy firaisankina?
Angamba ve efa lany daty
Ny marina indray aza no mangina🤐
Fa tsy afaka manoatra
Asa!hanao ahoana atsy ho atsy🤔.Indrisy ry fireneko,mahantra loatra😭
Na izany aza,mamiko ianao ry Tanindrazako
Ka tsy hitsahatra aho hanao ny tonombavako:
Andriamanitra ô!mba jereo re ty fireneko
Mifona aminao🙏🏻,be ny ratsy ekeko
Aoka re mba ho foana ireo fahoriana sy ny sento
Ampy angamba izay ireo fijaliana nentiny
Aoka re ! mba sitrano amin'izay ny feriny
Ho fahasambarana tokoa anie no setriny
Ka noho ny fitahianao,dia ho zary hody ventiny
Amin'izay ireo rehetra nimatesany🙏🏻
Amen!
🌼MIORA R.🌼