30/08/2026
📦 FITSIPIKA SY FEPETRA AMIN’NY FANATERANA
MADAGO LIVRAISON 🇲🇬
Mba hahafahana manome tolotra haingana, azo antoka ary matihanina, dia mangataka amin’ny mpanjifa rehetra izahay mba hamaky ireto fepetra manaraka ireto :
1. 📍 Momba ny toerana hanaterana
Tokony homen’ny mpanjifa mazava sy marina ny anarana, laharan-telefaona, adiresy ary toerana hanaterana.
2. 📦 Momba ny colis
Tokony ho voafono tsara sy vonona halaina ny entana.
Tsy raisina ny entana mampidi-doza, tsy ara-dalàna na tsy voafono araka ny tokony ho izy.
3. 💰 Saran’ny livraison
Ny saran’ny livraison dia ampahafantarina mialoha arakaraka ny halavirana, toerana ary karazana colis.
4. 💵 Fandoavana rehefa tonga ny entana
Raha misy paiement à la livraison, dia tsy maintsy faritan’ny mpanjifa mazava mialoha ny vola tokony haloan’ny mpandray.
5. ⏰ Fotoana fanaterana
Miezaka izahay hanatitra ara-potoana. Mety hisy fahatarana anefa noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, orana, lozam-pifamoivoizana na antony tsy miankina aminay.
6. 📞 Raha tsy tratra ny mpandray
Raha tsy mamaly antso na tsy eo amin’ny toerana ny mpandray, dia hiezaka hifandray aminy ny mpanatitra. Mety hisy saran’ny livraison fanindroany raha ilaina.
7. 🔄 Raha averina ny colis
Raha mandà ny colis ny mpandray na tsy azo tratrarina, dia azo averina any amin’ny mpandefa ilay colis. Mety hisy saran’ny retour arakaraka ny fifanarahana.
8. 🚫 Entana tsy azo entina
Tsy mandray entana tsy ara-dalàna, mampidi-doza, mora mirehitra, mipoaka, na entana voararan’ny lalàna izahay.
9. 🔐 Tsiambaratelo
Ny mombamomba ny mpanjifa dia hajaina ary ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny livraison ihany.
10. 🤝 Ny fanoloran-tenanay
MadaGo Livraison dia miezaka hatrany hanome serivisy matotra, haingana, azo itokisana ary manaja ny mpanjifa.
❤️ Misaotra tamin’ny fahatokisana!
MADAGO LIVRAISON 🇲🇬
📞 034 61 450 64