18/02/2026
𝐕𝐞𝐭𝐢𝐯𝐞𝐭𝐲 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐝𝐢𝐚 “𝐫𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚” 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐯𝐚𝐧’𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚
Ny olona dia mahita tenenina foana, na inona ataonao.
Ny olona dia tsy mai tsy mitsikera foana, na manao tsara ianao na tsia.
Satria rehefa sahy manao izay tsy sahin’izy ireo atao ianao, dia tsy maintsy hiteny izy.
Rehefa miakatra ianao, misy tsy mahazaka.
Rehefa miezaka ianao, misy maneso.
Tanjony mihitsy ny hampahakivy anao.
Tanjony ny hampijanona anao.
Raha ny tiany dia ianao tsy manao inona na inona mihintsy fa mijanona 0 dia mangataka aminy mba ahafahany mandatsa anao.
Fa tsarovy anefa fa tsy ny olona no miaina ny fiainanao.
Raha te hahomby sy te ho lava andro iainana ianao :
Aza henoina ny vavan’olona tsy tia anao.
Aza henoina ny vavan’olona manaratsy anao.
Aza avela hanapaka ny nofinao ny hevitry ny olona tsy mahalala ny adinao sy ny tolona ataonao.
Henoy kosa :
✔ Ny olona manome fahasambarana anao.
✔ Ny olona manohana sy manampy anao hitombo.
✔ Ny olona manome fiadanana sy hery anao.
✔ Ny olona manitsy anao am-pitiavana fa tsy manaratsy anao an-kolaka.
Ary ambonin’izany rehetra izany,
henoy ny tanjonao sy ny feon’ny fieritreretana ao anatinao.
Fantaro tsara fa tsy ny tabataban’olona no hampiakatra anao fa ny asa ataonao isan’andro
Tohizo ny asa. Avelao hiteny ny olona.
Fa ianao kosa, avelao hiakatra foana. 🔥
Aza avela handresy ny olona te hampidina anao
😺 👌
Réussir avec Martin