20/11/2022
FANTARO AMIN'IZAY NY LOI D'ATTRACTION
Amin'ny ankamaroan'ny olona dia mijanona ho nofy fotsiny ihany ny faniriany sy ny nofinofiny.
Mila manova fiainana /zavatra mihitsy. Io tsy hoe 3 andro dia tonga dia terena hiova daholo, fa henonao amin'ny fiainanao andavanandro io hoe misy miova tsikelikely ao.
1) Ovay mba ho anao ihany ny fiainanao :
Tena vonona ve ianao aloha hanova ny fiainanao?
Tena mety aminao ve? Sa mba atao hahasambatra ny hafa fotsiny?
Rehefa vonona ianao ka mino ary manaiky dia andao àry fa hiroso isika.
Afaka atao ny mizara faniriana sy hafaliana amin'ny olona miaraka aminao. Ary mba ho tsara ho anao sy ho an'ny taranakao. Dia manontania tena isaky ny hanao zavatra iray hoe :"Laharam-pamehana ve? Tena tsy maintsy ve? Tena ilaina tokoa ve? "
2) Araho motivation kely ilay fiovana àry :
Manaova drafitra mihitsy ary mila manana objectifs foana aloha.
Averiko ihany, mila positive foana, rehefa mifantoka amin'ny projet sy izay tinao ho azo.
Mila vonona tsara hihoatra ny limite nao ary hiala amin'ny fomba fanao mahazatra. Isan'andro isan'andro, na matetika mihitsy aza, alaivo sary an-tsaina toy ny hoe efa azo ary efa hiainanao mihitsy ilay nofinofy. Ary eritrereto sahady ny mahasambaranao rehefa azo tokoa ilay izy. Io ilay projection ataon'ny fanahinao sy ny sainao vers l'avenir. Miraikitra tanteraka amin'ny amparahatoka mihitsy ary tsy amelany raha tsy tanteraka. Akipio mihitsy ny maso ary tena miaina mihitsy ianao. Mazava ve?
2) Ovay ny olona hifandraisana matetika:
Matsiro io fa ovay e! Ampy hoy aho izay, olona efa mandrangitra anao dia mbola hifikiranao foana. Tratran'ny syndrôme de Stockholm ianao matoa mandaitra aminao izany. Ampijaliana, ampifalifaliana, omena teny marary, tsy hajaina, hivanitinitihana, atao resaka, rangitina, nefa mbola mifikitra ihany. Izany no atao hoe Sydrôme de Stockholm.
Tsy mitondra soa re izany a! Azo ve?
3) Nisy tsy nety ve? Vitanao io!
Misy lesona foana oa io! Ary aza avela hahazo anao intsony. Kotrana daholo izany ry zareo a!
Aza atao mihitsy hoe noho ny fahadisoan'ny hafa fa raiso ny andraikitra feno amin'ny fiainanao. Rehefa erreur no mbola miverina ihany dia tsy erreur intsony izy izay fa efa décision.
Manasa anao tompoko hamaky sy hanjifa ny boky nosoratako :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME".
OK a! Ao izay! Efa miandry anao ny fiainana, ianao no endrasina.
Vitanao io! Izaho maka anao!