04/02/2026
💔 MISY FOTOANA TENA HOE RERAKA NY VATANA mavesatra ny saina, ary mila ho kivy ny fo💔 Misy andro tena hoe rotoroto ny zava-drehetra, ka tsy hitanao intsony izay antom-pisianao fa en mode pilote automatique🥺
..Saingy rehefa mijery an’ilay zanaka kely anefa , mahita ilay masony feno fitiavana sy ilay tanany kely mikasika 🥺, dia miverina ho azy ny hery ao anaty... Tsy haiko AVY aiza
Tsy mila teny maro izy, tsy mila fanazavana… ny fisiany fotsiny dia ampy hampahatsiaro anao fa mbola misy antony hiainana sy hiatrehana ny fiainana
Ny zanako no antony hitsanganako indray isan’andro, na dia sarotra aza ny lalana. ❤️👌
Mankahery ny reny rehetra 🙏
ZARAO AMIN'NY HAFA
Page Loulou et Chou