16/01/2026
🔴METY HO ILAINAO ITY INDRAY ANDRO ANY
Mba fantatrao ve ny zavatra tokony atao raha sendra fisolokiana?
Famaritana ara-dalàna:
Araka ny Andininy faha-405 ao amin’ny Lalàna famaizana malagasy, ny fisolokiana dia fandikan-dalàna izay ataon'ny olona amin’ny alalan’ny:
Fampiasana anarana diso,
Fampanantenana zavatra tsy misy,
Fihetsika mamitaka izay entina hanambakana olona hafa,
Izay rehetra natao mba hahazoana tombotsoa tsy ara-dalàna (vola, fananana, sns),
Ary mety hiteraka fatiantoka na fahavoazana ho an’ilay niharam-boina.
Fepetra ilaina hahatonga azy ho fisolokiana:
Ny zavatra nampanantenaina na notenenina dia tsy misy akory.
Ilay olona manatanteraka ny asa dia mahatakatra tsara fa mamitaka izy, ka niniana nataony ilay fitaka.
Misy eto ny antsoina hoe "dol pénal" na ilay fikasana hanao ratsy, izay karohin’ny mpitandro filaminana (Polisy na Zandary) rehefa manao fanadihadiana.
Fomba fijery ara-psychologie:
Ny fisolokiana dia fandikan-dalàna niniana natao (infraction intentionnelle). Tsy kisendrasendra akory, fa niniana sy noheverina mialoha mba haka vola na zavatr’olona amin’ny alalan’ny fitaka.
Sazy ara-dalàna:
Araka ny andininy faha-405, izay voaporofo fa nanao fisolokiana dia afaka saziana hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina (am-ponja) sy lamandy.
Fampahatsiahivana manan-danja:
Tsy fialan-tsiny ny hoe “tsy nahalala lalàna”. Raha manao heloka ianao dia miatra aminao ny lalàna, na tsy nahalala aza. Izany no antsoina hoe “Nul n’est censé ignorer la loi.”
1. Fitoriana eny amin’ny Fampanoavana (Plainte au Parquet)
❓Inona io?
Io no atao rehefa tianao hampiditra ady heloka amin’ilay mpisoloky. Ianao mitory azy amin’ny fitaka sy fanodinkodinam-bola. Tsy fandraisana vola fotsiny fa heloka bevava (infraction pénale) mihitsy.
📍Aiza no alefa?
Apetraka any amin’ny Fampanoavana (Parquet) amin’ny tribonaly misy anao (Tribunal de Première Instance, amin'ny ankapobeny).
🕰️ Fe-potoana?
3 taona no fe-potoana ambony indrindra (délai de prescription). Raha 02 Jona 2025 no nitranga ny fisolokiana, dia 02 Jona 2028 no farany azo ampidirana ny fitoriana.
🎯 Inona no tanjona?
Hanagadrana ilay mpisoloky (sazy an-tranomaizina).
Hampandoavana onitra (dommages-intérêts) ho an’ilay niharam-boina.
Mety hojerena amin’ny fitsarana ara-pitsarana heloka (tribunal correctionnel) ilay raharaha.
Ady madio – Fitakiana trosa (Recouvrement de créance / action civile)
❓Inona io?
Io no atao raha tianao hanonerana fotsiny ilay vola very. Tsy mitory amin’ny heloka, fa manomboka ady sivily (action en responsabilité civile) amin’ny Tribunal Civil. Tsy hikatona am-ponja ilay olona, fa atao trosa sy fitsarana sivily ilay izy.
📍Aiza no alefa?
Apetraka amin’ny Fitsarana sivily misy anao (Chambre civile du Tribunal de Première Instance).
🕰️ Fe-potoana?
5 taona raha amin’ny maha trosa azy (prescription civile).
🎯 Inona no tanjona?
Hamerina ilay vola.
Hangataka onitra ho an’ny fahavoazana (fatiantoka, saina torotoro…).
⚠️ Tsy azo atao miaraka?
Raha manao fitoriana eo anolohan'ny Fampanoavana (plainte au parquet), miantona aloha ilay ady madio. Io no antsoina hoe “Le Pénal tient le civil en l'état" . Araka ny Paikadysivily, dia miandry ny vokatry ny fitsarana heloka vao afaka mitaky vola amin’ny fitsarana sivily. Satria sao dia mivadika ilay toe-javatra (tsy hita porofo, sns).
📝-Manana olana midira Mp azafady