Fernand Cello

Fernand Cello Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fernand Cello, Antananarivo.

tafahoana tamin-dRamatoa Elysa Randrianirina, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, i Ramatoa Sekreteran’ny Tatandraza, nandr...
15/08/2026

tafahoana tamin-dRamatoa Elysa Randrianirina, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, i Ramatoa Sekreteran’ny Tatandraza, nandritra ny diany tao Ambovombe, Androy, androany.

‼️💥MAMY RAVATOMANGA : METY HAHOZO FAHAFAHANA VONJIMAIKA ?🔴 Mety hahazo fahafahana vonjimaika i Mamy Ravatomanga, raha ek...
15/08/2026

‼️💥MAMY RAVATOMANGA : METY HAHOZO FAHAFAHANA VONJIMAIKA ?

🔴 Mety hahazo fahafahana vonjimaika i Mamy Ravatomanga, raha eken’ny fitsarana ny fangatahany. Ny 17 sy 18 Aogositra 2026 no handinihan’ny fitsarana any Maorisy izany fangatahana izany.

🔴 Araka ny vaovao navoaka tany miely,, tsy manohitra intsony ny handinihan’ny fitsarana ny fangatahana ny FCC, na dia mbola manohitra ny famotsorana an’i Mamy Ravatomanga aza.

🔴 Raha toa ka eken’ny fitsarana ny fangatahany ka mahazo fahafahana vonjimaika izy, dia mety hisy fiantraikany amin’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara izany.

✍️Fernand Cello

15/08/2026

Fitiavana rano velona ❤🇲🇬

💢 ANTOKO KINTANA : MIANTSO NY PRRM HANDRAVA NY ANTENIMIERAM-PIRENENA🔴 Miantso ny Filohan’ny Fanavaozana (PRRM) ny antoko...
15/08/2026

💢 ANTOKO KINTANA : MIANTSO NY PRRM HANDRAVA NY ANTENIMIERAM-PIRENENA

🔴 Miantso ny Filohan’ny Fanavaozana (PRRM) ny antoko Kintana mba handrava ireo andrim-panjakana natsangana tao anatin’ny Repoblika IV.

🔴 Anisan’ny takian’izy ireo ny fandravana ny Antenimieram-pirenena, noho ny filazan’izy ireo fa tsy azo antoka intsony ny satan’ireo solombavambahoaka.

🔴 Manoloana izany, manolotra ny fananganana Haute Autorité de la Refondation (HAR) ho rafitra vaovao hitantana ny vanim-potoanan’ny Fanavaozana ihany koa ny antoko Kintana.

📸Radio Mangarahara

📌 ANTANANARIVO : FOTOAM-BAVAKA ENY AMIN’NY COLISEUMAtao androany, Sabotsy, eny amin’ny Coliseum ny fotoam-bavaka karakar...
15/08/2026

📌 ANTANANARIVO : FOTOAM-BAVAKA ENY AMIN’NY COLISEUM

Atao androany, Sabotsy, eny amin’ny Coliseum ny fotoam-bavaka karakarain’ny Fiangonana Vahao Ny Oloko, mitondra ny lohahevitra hoe “Miala nenina aminao Andriamanitra”.

Manatrika izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo mpitarika fiangonana maro. 🙏🇲🇬

📍 AMBOVOMBE ANDROY | SABOTSY 15 AOGOSITRA 2026Ampahan-tsary tamin’ny fitsenana an’Andriamatoa Kolonely Michaël RANDRIANI...
15/08/2026

📍 AMBOVOMBE ANDROY | SABOTSY 15 AOGOSITRA 2026

Ampahan-tsary tamin’ny fitsenana an’Andriamatoa Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana Repoblikan’i Madagasikara, sy Ramatoa vadiny tao Ambovombe Androy.

Naneho hafanam-po sy fitiavana tamin’ny fandraisana azy ireo tompon’andraikitra sy vahoaka maro tonga niarahaba.

“AVY MAEVA ANDRIAMATOA FILOHA – SOA TY FILONGOA, SOA TY FIHAROA.” 🇲🇬📸

✨ ANALALAVA : Feno hafaliana sy hafanam-po ny lanonana fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fiarovana ny Fano....
15/08/2026

✨ ANALALAVA : Feno hafaliana sy hafanam-po ny lanonana fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fiarovana ny Fano.

Nanome voninahitra ny hetsika ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, ny Chef de Région Sofia ary Ampanjaka Zalifa.

▫️ Tao anatin’ny hafaliana, nolanjaina araka ny fomba amam-panao ny Chef de Région, ary naneho hafaliana tamin’ny fandraisana azy ny vahoaka maro.
🌿🇲🇬

15/08/2026

Tia film gasy ve ianareo mpanaraka ato? Mba omeo titre hoe? Sao asintsika extrait kely isan'andro❤

15/08/2026

Inona ny kaly ao androany eh? 😘🎉

15/08/2026

‼️💥ANTOKO KINTANA : MIANTSO NY PRRM HANDRAVA NY ANTENIMIERAM-PIRENENA

▶️Ny antoko Kintana dia miantso ny Filohan’ny Fanavaozana (PRRM) mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny tany am-boalohany, ka handrava ireo andrim-panjakana natsangana tao anatin’ny Repoblika IV.

👉Anisan’ny takian’ity antoko ity ny fandravana ny Antenimieram-pirenena, izay nambarany fa tsy azo antoka intsony ny satan’ireo solombavambahoaka.

▶️Manoloana izany, dia manolotra ny fananganana Haute Autorité de la Refondation (HAR) ihany koa ny antoko Kintana, ho rafitra vaovao hitantana ny vanim-potoanan’ny Fanavaozana.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fernand Cello posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share