14/06/2026
Tranga hafahafa
Malaza Andoharanofotsy: Misy moto velona ho azy ao anaty fasana, isaky ny amin'ny 12 ora alina.
Ny tompon’ity moto be ity dia lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass.
Taorian'ny fandevenana azy, napetraky ny fianakaviany tao an-trano ny moto-ny. Saingy teo no nanomboka ny tantara: niseho tamin'ny fianakaviany foana ny fanahin'ilay maty, nitaky ny hanaterana ny fananany any am-pasana. “Atero eny amin’ny fasako ny motoko” hoy izy.
Vao naterina teny tokoa ilay moto dia nitsahatra ny fisehoana. Saingy misy tranga hafahafa miseho foana eo am-pasana.
Maro ny mponina eo amin'ny manodidina no nijoro vavolombelona fa miredona ho azy ny moteran'ity moto ity ao am-pasana ao isaky ny misasakalina.
Nisy nangalatra ilay moto indray mandeha izay, ka tsy hita nandritra ny 7 andro. Saingy gaga ny rehetra fa indray mitataovovonana, nisy lehilahy efatra mirahalahy nanosika ilay moto namerina azy teo amin’ny toerany, dia avy eo lasa.
Ho anao izay te hanadihady na te hijery amin'ny maso, ao Malaza, akaikin’ny Gileada no misy azy io.
✍️ Brayan