24/08/2024
Zaza manavy 😢, ireo zavatra tokony atao👇
Miarahaba ô! 😃
🔥Atao hoe manavy ny zaza iray rehefa mihoatra ny 37,5°C ny hafanan'ny vatany, saingy manomboka 38°C no tokony hanomboka ho mailo isika 😌
Maro ny zavatra mety hatonga azy fa ny matetika indrindra dia avy @ otrik'aretina manafika ka ny fampiakarana hafanana no entin'ny vatana miady aminy (Tsy aretina ny fièvre fa fambara hoe misy tsy milamina ao) 🔔
Inona aza no tokony atao❓
✅ Raha zaza latsaky ny 3 volana dia manantona pédiatre avy hatrany, TSY MIANDRIANDRY ⚠⚠⚠
✅ Raha zaza mihoatra ny 3 volana dia ampidinina @ fomba tsotsotra aloha ny hafanana:
◽ Asiana lamba lena ny handriny
◽ Asiana rano mafana @ tavoahangy eo @ tongony raha toa mangatsiaka
◽ Anesorana tsikelikely ny akanjony (TSY RAKOFANA BODOFOTSY)
Tsy avy hatrany dia alana daholo manjary manao ny antsoina hoe choc thermique raha toa ka mangatsiaka tampoka loatra
◽ Ampitomboy ny rano sotroiny (Raha mihoatra ny 6 volana)
Raha latsaky ny 6 volana dia omeo nono matetika be
✅ Omena fanafody mampidina hafanana (paracétamol, doliprane, efferalgan mety avokoa fa ny mpitsabo no anotanio ny fatra mety @ zanakao)
Tsy voatery omena paracétamol ny zaza manavy raha hitanao hoe tsy hafahafa izy (milalao tsara, misakafo,matory, miresaka...) satria midika izany fa zakany tsara ilay fièvre 👉👉👉Ny tsy fazakana fièvre no mampisy ny fanintona na convulsion ka miankina @ tsirairay izany: misy vao 38°C dia hita fa malemilemy sy mijaly ilay zaza, misy kosa nefa matanjaka tsara na mihoatra an'io aza
NA IZANY KOSA AZA NEFA TSY TOKONY HANDRASANA HIAKATRA 40°C fa rehefa hita fa tsy midina @ ilay fikafika tsotra ny hafanana ka mananika ny 38,5°C dia omeo fanafody mampidina hafanana isaky ny adiny 6.
⚠Manantona mpitsabo raha 2 andro nisesy ny zaza nanavy (raha ny tokony ho izy rehefa resin'ny vatana ny virus na otrik'aretina dia miala hoazy ny fièvre ka raha toa mitarazoka mihoatra ny 2 andro ny fièvre dia mila manantona mpitsabo)
⚠Avy hatrany koa dia manantona mpitsabo raha: Tsy misakafo ny zaza
Mirary soa e 😘😘
ZARAO HO HITAN'NY HAFA
ABONNEO NY PEJY