06/09/2026
Rehefa mivavaka dia mangataha ny hitombo ara-panahy🔥!!
Mahazatra antsika rehefa mivavaka ka mangataka dia ny hilaminan'ny fiainantsika ara-nofo foana aloha no lohalaharana!!
❎Adinontsika fa fanahy isika!!
Ka ilaina ihany koa ny mangataka ny hitomboan'ny ara-panahintsika !!
-Inona ilay toetra na fahalemena mbola anananao tianao esorina iny!?
-Inona no fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba tianao hanànana !?
Fa ny Mpahary dia manome malalaka izay mangataka aminy hoy ny voasoratra, ary tsy mba mandatsa...
👑Ny Mpanjaka Solomona raha niresaka tamin'ny Mpahary dia nangataka fahendrena! Voasoratra fa nankasitrahan'ny Mpahary izany fangatahany izany. Ka nahazo malalaka izy.
Ary fanampin'izany dia nomen'ny Mpahary azy niaraka tamin'izay koa izay nilainy rehetra ara-nofo! Na tsy nangatahany aza !!
✴️Koa manomboka izao, ataovy mavesa-danja ao aminao ny hangataka zava-panahy kokoa aloha vao ny hamahàna ny fiainanao ara-nofo...
Mangataha toe-panahy tsara !!
Mangataha fanomezam-pahasoavana izay mbola tsy anananao !!
☑️Fa ankasitrahan'ny Mpahary kokoa ny mahita fa te hitombo ara-panahy aloha ianao hanaovanao ny asany sy ny sitrapony, vao manahy ny fiainanao manokana ara-nofo !!
📷: Sary tamin'ny Shabbat🥰
Araho ny pejy raha mbola tsy Abonné ianao!!