Jean Léonid

Jean Léonid “Manangana saina. Manentana fiovana. Motivation & Relation isan’andro. Aza mihemotra zany,rah
mbola vitanao 💪✨
Araho raha te hiroso isan'andro.”👇

Dada, Ianao ilay tsy mba mitaraina na dia reraka aza. Miady saina irery, mitondra ny vesatry ny fiainana tsy aseho olona...
21/06/2026

Dada, Ianao ilay tsy mba mitaraina na dia reraka aza. Miady saina irery, mitondra ny vesatry ny fiainana tsy aseho olona. Ary raha sendra lavo ianao dia maro no manondro rantsantanana, nefa vitsy no manontany hoe: "Manao ahoana ianao Dada?"
Mivoaka maraina, mody alina, Mandao ny ainao mba hahavelona ny ankohonanao. Na dia tsy lavorary aza ianao, dia mbola mendrika haja sy fitiavana foana.
Amin'izao Fetin'ny Ray izao, Misaotra anao Dada, satria na mafy aza ny fiainana, tsy nilavo lefona ianao.
Raha manaja ny Rainao ianao, soraty hoe: "MISAOTRA DADA ❤️". Ary raha misy olona mitsara ny Rainy nefa tsy mahalala ny fijaliany, dia alefaso aminy ity hafatra ity mba hahafantarany fa tsy mora ny maha-Ray.
Jean Léonid

"Tsy ny fahantrana no hamaritra ny hoaviko. Tsy ny bika aman'endrika no handrefesana ny hasarobidiko. Na zanaka sahirana...
20/06/2026

"Tsy ny fahantrana no hamaritra ny hoaviko. Tsy ny bika aman'endrika no handrefesana ny hasarobidiko. Na zanaka sahirana aza aho, tsy kivy ary tsy mihemotra. Miasa mangina aho, mivavaka tsy mitsahatra, ary mino fa hisy andro hamirapiratan'ny fahombiazana. Izay manambany anio, indray andro any dia hahita fa ny herin-tsaina, ny faharetana ary ny finoana no tena mampandresy." 💪🙏
Raha mino ianao fa ny ezaka sy ny finoana no lalana mankany amin'ny fahombiazana, asio ❤️ ary zarao hanome hery ny hafa.
Jean Léonid
🇲🇬

"Aza matahotra ny fahavalonao miseho mivantana, fa matahora ireo milaza hoe 'tia anao' nefa mivavaka mangina mba hahita ...
19/06/2026

"Aza matahotra ny fahavalonao miseho mivantana, fa matahora ireo milaza hoe 'tia anao' nefa mivavaka mangina mba hahita anao lavo. Mitsiky izy, mody manohana, mody faly amin'ny fandrosoanao, kanefa ao am-pony fialonana sy fankahalana no afeniny. Tsy ny rehetra eo akaikinao no namana, misy ny miandry ny faharavanao mba hahatsapany fa nandresy izy. Fa tadidio, izay arovana sy asandratry ny Tompo dia tsy ho resin'ny sabotage na oviana na oviana."
Soraty hoe "Mbola mijoro aho 💪" raha tsy manaiky ho resin'ny sabotage sy ny fiatsarambelatsihy ianao!
Jean Léonid :

"Aza manambany olona noho izay anananao anio. Tsy maharitra ny bika, tsy maharitra ny harena, fa ny toetra no sisa tsaro...
18/06/2026

"Aza manambany olona noho izay anananao anio. Tsy maharitra ny bika, tsy maharitra ny harena, fa ny toetra no sisa tsaroan'izao tontolo izao."
Raha bika aman'endrika sy harena no entinao manambany ny hafa, dia mbola tsy azonao ny atao hoe fiainana. Ny hatsarana halazo, ny harena mety hanjavona indray mipi-maso, ary ny vatana ireharehanao anio dia ho vovoka rahampitso. Koa aza manambany olona satria tsy fantatrao izay hosandratra rahampitso sy izay hiondrika anio
💬 Ahoana ny hevitrao? Ny bika sy ny harena ve no tena maha-olona, sa ny toetra? Zarao eto ambany.
❤️ Raha mino ianao fa ny fanetren-tena no tena hatsarana, asio "J'aime" ary zarao mba hahatratra olona maro.
Jean Léonid
🖤🔥

Lavo aho, nefa tsy resy. Naratra aho, nefa mbola mijoro. Ary mbola handresy aho!Raha sendra lavo ianao, aza mitomany ny ...
17/06/2026

Lavo aho, nefa tsy resy. Naratra aho, nefa mbola mijoro. Ary mbola handresy aho!
Raha sendra lavo ianao, aza mitomany ny lasa. Maka lesona, fafao ny ranomaso, dia mitsangàna indray.
Aza miherikerika amin'ny lalana efa nolalovanao, satria mbola betsaka ny fandresena miandry anao eo aloha.
Ary raha toa ka mafy loatra ny lalana diavinao, ka reraka ny vatana sy ny fo, dia ataovy tohatra ny vavaka.
Satria ny olona mivavaka sy tsy milavo lefona dia mety tara kely, saingy tsy ho resy mihitsy.
Tsarovy: Tsy ny fahalavoanao no tantaran'ny fiainanao, fa ny fahasahianao mitsangana indray, na dia efa naratra imbetsaka aza.
Raha mino ianao fa mbola hisy ny fiovana eo amin'ny fiainanao, soraty hoe: "MBOLA HIADY AHO!" 🔥💪
Jean Léonid

💔 "Ny fanaintainana lehibe indrindra dia tsy ny fisarahana... fa ny fitia mbola velona nefa fantatrao fa tsy hanana fiaf...
16/06/2026

💔 "Ny fanaintainana lehibe indrindra dia tsy ny fisarahana... fa ny fitia mbola velona nefa fantatrao fa tsy hanana fiafarana sambatra."

Na dia fantatro aza fa tsy ho tanteraka mihitsy ny amintsika, dia tsy mety mamela anao ny ato anatiko. Mbola ianao foana no tadiaviny, na dia efa fantany aza fa tsy natao hiaraka isika.
Mafy ny mitia olona iray izay tsy ho anao mihitsy. Fa vao mainka mafy ny manery ny fo hanadino, nefa izy mbola tia tsy misy fetra.
Angamba tsy natao hiaraka amiko ianao... Fa ho an'ny foko, ianao no nofinofy tsy ho tanteraka mandrakizay. 💔 Raha efa nisy olona tianao nefa tsy anjaranao, soraty hoe "Mbola ao am-poko" ao amin'ny commentaire. 🥀
Léonid: 💔🥀

⚠️ Aza atokisana be loatra ny teny, fa ny fotoana no mampiseho ny tena toetran'ny olona."Arahiko vavaka ny zavatra rehet...
15/06/2026

⚠️ Aza atokisana be loatra ny teny, fa ny fotoana no mampiseho ny tena toetran'ny olona.
"Arahiko vavaka ny zavatra rehetra ataoko. 🙏
Satria fantatro fa mafy ny ady ao anaty saina sy ao am-po.
Arovako ny foko MBA tsy hisy andratra tsy sanatria matahotra aho, fa satria efa nianatra tamin'ny ratra navelan'ny fiainana.
💬 Raha mbola miaro ny fonao ianao nefa tsy mitsahatra manonofy, soraty hoe "MBOLA MIJORO".
Jean Léonid

⚠️ Ny olona nanambany anao androany no mety ho gaga indrindra amin'ny fahombiazanao rahampitso.Anio izy ireo mijery ahy ...
13/06/2026

⚠️ Ny olona nanambany anao androany no mety ho gaga indrindra amin'ny fahombiazanao rahampitso.
Anio izy ireo mijery ahy avy eny ambony, fa rahampitso izy ireo hijery ahy avy eny ambany. Tsy hamaly faty amin'ny teny aho, fa hamaly amin'ny vokatra. Tsy hitomany amin'izay very aho, fa hiasa mafy mandra-pahatonga ny andro hanenenan'izay nanambany ahy." 🔥💪
👉 Raha mbola tsy milavo lefona ianao na dia efa nodarohana mafy aza ny fiainana, soraty hoe "TSY HIFONA AMIN'NY NOFIKO AHO". 🔥
Jean Léonid
🇲🇬🔥

⚠️ Rehefa mahomby ianao dia maro no te haka ny anjara birikiny amin'ny tantaranao, nefa vitsy no teo tamin'ny fotoan-tsa...
12/06/2026

⚠️ Rehefa mahomby ianao dia maro no te haka ny anjara birikiny amin'ny tantaranao, nefa vitsy no teo tamin'ny fotoan-tsarotra.
🔥 Fa ny marina dia izaho no niaritra ny fahoriana, izaho no niady tamin'ny sakana, ary izaho no tsy nilavo lefona tamin'ireo andro sarotra indrindra.
🚶‍♂️ Koa aleoko mandeha miadana amin'ny heriko manokana, toy izay hiankina amin'olona avy eo hanadino ny ady nataoko ka haka ny voninahitra tsy azy.
Raha mino ianao fa ny ezaka sy ny faharetanao no hitondra anao lavitra, soraty hoe "IZAHO NO TSY NILAVO LEFONA" 🔥💪🔥.
Jean Léonid

"Nandratra 💔ahy izy ireo... fa tsy nahavita nandrava ahy!"💪Ankehitriny, nisafidy handeha irery aho, tsy satria resy, fa ...
11/06/2026

"Nandratra 💔ahy izy ireo... fa tsy nahavita nandrava ahy!"💪
Ankehitriny, nisafidy handeha irery aho, tsy satria resy, fa satria te-handroso. Tsy hiankina amin'ny teny mamy intsony aho, fa hino ny heriko sy ny ezaka ataoko isan'andro. Ny ratra omaly no lasa hery manosika ahy anio. Ary indray andro any, ireo izay nanambany ahy no hahita fa ny fahanginako no nananganako ny fiainako." 💪🔥
Raha mbola manohy ny tolonao ianao na dia maro aza ny nandiso fanantenana anao, soraty hoe "TSY RESY AHO".
Jean Léonid
🔥💯

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jean Léonid posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share