24/01/2026
Ny Mercy Ships miara-miasa amin’ny Ministera ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara dia hanatanteraka fizahana marary maimaimpoana ho an’ity taona 2026 ity, manomboka ny 02 ka hatramin’ny 20 Febroary. Ny toerana hanaovana izany dia ireto tanisaina manaraka ireto:
Toamasina – CHU Analakininina
Antananarivo – CHU Andohatapenaka
Toliara – CHU Antanambao Toliara
Ambositra – CHRR Ambositra
Miandrivazo – CHRD Miandrivazo
Fianarantsoa – CHRR Tambohobe
Maroantsetra – CHRD Analanjirofo
Taolagnaro – CHRR Philibert Tsiranana
Betroka – CHRD Betroka
Moramanga – CHRD Moramanga
Ambilobe – Bloc Administrative d’Ambilobe
Marovoay – CHRD Marovoay
Marihina eto fa tsy misy toerana hafa handraisana marary akoatran’ireo voalaza ireo. Ny karazan’aretina horaisina amin’izany dia araka ireo hita eo amin’ny sary:
• Fivontosana amin’ny tarehy na amin’ny vatana
• Molotra sima na vaky lanilany
• Hernie
• Cataracte
Ny fandraisana marary dia isaky ny Alatsinainy, Talata, Alakamisy ary Zoma, manomboka amin’ny 06 ora maraina ary maimaimpoana avokoa ny asa atao rehetra.
‐-------------------------------------------------------------------------------
Mercy Ships, en collaboration avec le Ministère de la Santé Publique de Madagascar, organisera des consultations médicales gratuites pour l’année 2026, du 02 au 20 février.
Les consultations auront lieu dans les centres suivants :
- Toamasina – CHU Analakininina
- Antananarivo – CHU Andohatapenaka
- Toliara – CHU Antanambao Toliara
- Ambositra – CHRR Ambositra
- Miandrivazo – CHRD Miandrivazo
- Fianarantsoa – CHRR Tambohobe
- Maroantsetra – CHRD Analanjirofo
- Taolagnaro – CHRR Philibert Tsiranana
- Betroka – CHRD Betroka
- Moramanga – CHRD Moramanga
- Ambilobe – Bloc Administratif d’Ambilobe
- Marovoay – CHRD Marovoay
Les pathologies prises en charge sont les suivantes (comme indiqué sur l’image) :
- Tumeurs ou masses au niveau du visage ou du corps
- Fente labiale ou fente palatine
- Hernie
- Cataracte
L’accueil des patients se fera chaque Lundi, Mardi, Jeudi et Vendredi, à partir de 6 heures du matin, et tous les services sont entièrement gratuits.